Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 26:29 - Baiboly Katolika

Aoka hianiana ianao fa tsy hanisy ratsy anay, araka ny tsy nikasihanay anao akory, na nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa nampandehaninay soa aman-tsara ianao. Ary ianao izao no ilay hasoavin’i Iaveh.› »

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

fa tsy hanisy ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nikasihanay anao akory sy tahaka ny tsy nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, satria navelanay handeha soa amantsara ianao. Efa notahin’NY TOMPO ianao ankehitriny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Mianiàna àry aminay fa tsy hanisy ratsy anay ianao tahaka ny tsy nampijalianay anao. Tsy nisy afa-tsy ny soa no nataonay taminao ka nalefanay ombàm-piadanana ianao, izay efa notahîn’ny TOMPO ankehitriny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mianiàna àry aminay fa tsy hanisy ratsy anay ianao tahaka ny tsy nampijalianay anao. Tsy nisy afa-tsy ny soa no nataonay taminao ka nalefanay ombàm-piadanana ianao, izay efa notahîn’ny TOMPO ankehitriny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

fa tsy hanisy ratsy anay hianao, tahaka ny tsy nanendrenay anao akory, sy tahaka ny tsy nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa nampandehaninay soa aman-tsara hianao. Fa hianao ankehitriny efa notahin’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

fa tsy hanisy ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nanendrenay anao akory, sy tahaka ny tsy nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa nampandehaninay soa aman-tsara ianao. Fa ianao ankehitriny efa notahin'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

fa tsy hanisy ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nikasihanay anao akory sy tahaka ny tsy nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, satria navelanay handeha soa amantsara ianao. Efa notahin’NY TOMPO ianao ankehitriny.

Jereo ny toko



Genesisy 26:29
8 Rohy Ifampitohizana  

Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao.


Ho tonga fanasoavana ianao; ny manasoa anao hohasoaviko, ny manozona anao hozoniko, ary aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.»


Tamin’izany andro izany, i Abimeleka narahin’i Fikôla, filohan’ny tafiny, niteny tamin’i Abrahama hoe: «Omban’Andriamanitra ianao amin’izay rehetra ataonao.


dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.


«Avia ianao izay notahin’i Iaveh. Nahoana no mijanona aty ivelany ianao? Efa namboatra ny trano aho sy fitoerana ho an’ny rameva.»


Hitahy anareo anie i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany!