Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 24:59 - Baiboly Katolika

Izay vao nalefan’izy ireo i Rebekà anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ny mpanompon’i Abrahama mbamin’ny olony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia navelany handeha i Rebeka anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ilay mpanompon’i Abrahama mbamin’ireo olony.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa navelan’ireo handeha i Rebekà sy ny mpitaiza azy hiaraka amin’ilay mpanompon’i Abrahama sy ny olony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa navelan’ireo handeha i Rebekà sy ny mpitaiza azy hiaraka amin’ilay mpanompon’i Abrahama sy ny olony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia namoaka an-dRebeka anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ilay mpanompon’i Abrahama mbamin’ny olony izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia namoaka an-dRebeka anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ilay mpanompon'i Abrahama mbamin'ny olony izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia navelany handeha i Rebeka anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ilay mpanompon’i Abrahama mbamin’ireo olony.

Jereo ny toko



Genesisy 24:59
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia namaly i Labàna sy i Batoela ka nanao hoe: «Avy amin’i Iaveh izao zavatra izao ka tsy azonay atao ny milaza aminao hoe tsy mety na mety.


Ary navoakany ny firavaka volafotsy sy firavaka volamena, mbamin’ny fitafiana, ka nomeny an-dRebekà; sady notolorany fanomezana sarobidy koa ity anadahiny sy ny reniny.


Izay vao nihinana sy nisotro izy mbamin’ireto olona nomba azy, ary dia nandry. Nony maraina, rehefa nifoha izy ireo, dia hoy ity mpanompo nanao hoe: «Alefaso aho hiverina any amin’ny tompoko.»


Dia nantsoiny i Rebekà, ka hoy izy taminy: «Te-handeha hiaraka amin’ity lehilahy ity va ianao?» Ary hoy navaliny: «Handeha aho.»


Nitso-drano an-dRebekà izy, ka nanao taminy hoe: «Ho tonga alinalina anie ianao, ranabavy! Ary hahazo ny vavahadin’ny fahavalony anie ny taranakao!»


Ary maty i Debôrà, mpitaiza an-dRebekà, ka naleviny teo ambanin’i Betela am-pototry ny oaka anankiray izay nomena anarana hoe: Oakan-dranomaso.


Izaho va no torontoronina an’ity vahoaka rehetra ity, ary izaho va no niteraka azy, no dia izaho no ilazanao hoe: Trotroinao izy, toy ny itondran’ny ray mpitaiza ny zaza minono, ho any amin’ny tany izay nianiananao tamin’ny razany homena azy?


Satria tsy mba nanao teny fandokàna na oviana na oviana izahay, araka ny fantatrareo; na mba nanao ny asanay ho filam-bola (Andriamanitra no vavolombelona),