Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 24:42 - Baiboly Katolika

Nony tonga tao am-pantsakana aho androany, dia nanao hoe: ‹Ry Iaveh, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, raha mba sitrakao ihany ny hanambina ny dia nalehako,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary androany aho dia tonga teo amin’ny fantsakana ka hoy aho: Ry TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama tompoko ô, raha hambininao ny diako,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa raha vao tonga teo akaikin’ny fantsakana aho androany, dia nivavaka hoe: «Ry TOMPO Andriamanitr’i Abrahama tompoko ô, mba ataovy mahomby ny anton-diako.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa raha vao tonga teo akaikin’ny fantsakana aho androany, dia nivavaka hoe: «Ry TOMPO Andriamanitr’i Abrahama tompoko ô, mba ataovy mahomby ny anton-diako.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tonga andro-any teo amin’ny fantsakana aho, ka hoy aho: Jehovah ô, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, raha hanambina ny alehako Hianao,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tonga androany teo amin'ny fantsakana aho, ka hoy izaho: Jehovah ô, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, raha hanambina ny alehako Hianao,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary androany aho dia tonga teo amin’ny fantsakana ka hoy aho: Ry TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama tompoko ô, raha hambininao ny diako,

Jereo ny toko



Genesisy 24:42
14 Rohy Ifampitohizana  

Nampandohalihiny teo ivelan’ny tanàna anilan’ny lavaka fantsakana ny rameva, nony harivariva tamin’ilay fivoahan’ny vehivavy hantsaka iny;


izaho koa notantanan’i Iaveh amin’ny lalana mankatỳ amin’ny rahalahin’ny tompoko.»


«Avia ianao izay notahin’i Iaveh. Nahoana no mijanona aty ivelany ianao? Efa namboatra ny trano aho sy fitoerana ho an’ny rameva.»


Hitan’ity tompony fa nomban’i Iaveh izy, ary nambinin’i Iaveh teo an-tanany avokoa ny zavatra rehetra nataony.


Niantso andro fifadian-kanina aho, teo amoron’ny ony Ahavà teo, hampijalianay tena eo anatrehan’ny Andriamanitray, hangatahanay aminy mba ho tsara mandroso avokoa, na ny tenanay, na ny zanakay, na ny anananay rehetra.


Endrey, ry Tompo, aoka hanongilan-tsofina amin’ny vavak’ity mpanomponao Ianao, sy amin’ny vavak’ireo mpanomponao izay mankasitraka tokoa ny matahotra ny Anaranao! Ho sitrakao anie ny hanambina ny mpanomponao anio, sy hampahita fitia azy eo imason’io lehilahy io.» Mpandroso divain’ny mpanjaka aho fahizay.


Ankino amin’i Iaveh ny anjaranao, dia matokia Azy, fa dia hanao Izy;


Ho aminay anie ny fanambinan’i Iaveh, Andriamanitray! Hamafiso aminay ny asan’ny tananay; eny, hamafiso ny asan’ny tananay!


Ary hoy ny navalin’ireo: «I Kôrnely kapiteny, lehilahy marina sy matahotra an’Andriamanitra ary ankasitrahin’ny Jody rehetra, no nahazo teny tamin’ny Anjely masina anankiray mba hampaka anao ho any an-tranony, sy hihaino ny teninao.»


ary mangataka mandrakariva amin’ny fivavahako, mba hisy hahafahako mankany aminareo indray andro any, raha sitrapon’Andriamanitra.


Fa niteny anakampo i Anà, ka ny molony fotsiny no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory. Noheverin’i Helì fa mamo izy.


Ka hoy ilay mpanompo taminy: «Indro misy olon’Andriamanitra amin’itsy tanàna itsy, lehilahy hajaina tokoa izy; izay lazainy tanteraka avokoa. Ka andeha isika ho ao, fa angamba holazainy amintsika ny lalana tsy maintsy hombantsika».