Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 24:31 - Baiboly Katolika

«Avia ianao izay notahin’i Iaveh. Nahoana no mijanona aty ivelany ianao? Efa namboatra ny trano aho sy fitoerana ho an’ny rameva.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy i Labana: Mandrosoa, ry ilay notahin’NY TOMPO! Nahoana no mijanona atỳ ivelany ianao? Fa efa nanamboatra ny trano sy izay hitoeran’ny rameva aho.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

no nitenenany hoe: –Mandrosoa ao an-trano, ry ilay notahîn’ny TOMPO. Nahoana ianao no mijanona etỳ ivelany? Izaho anie efa nanomana ny trano sy namboatra toerana ho an’ny rameva e!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

no nitenenany hoe: –Mandrosoa ao an-trano, ry ilay notahîn’ny TOMPO. Nahoana ianao no mijanona etỳ ivelany? Izaho anie efa nanomana ny trano sy namboatra toerana ho an’ny rameva e!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Labana: Miakara, ry ilay notahin’i Jehovah; nahoana no mijanona eto ivelany hianao? fa izaho efa namboatra ny trano sy izay hitoeran’ny rameva.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Labana: Miakara. ry ilay notahin'i Jehovah; nahoana no mijanona eto ivelany ianao? fa izaho efa namboatra ny trano sy izay hitoeran'ny rameva.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy i Labana: Mandrosoa, ry ilay notahin’NY TOMPO! Nahoana no mijanona atỳ ivelany ianao? Fa efa nanamboatra ny trano sy izay hitoeran’ny rameva aho.

Jereo ny toko



Genesisy 24:31
11 Rohy Ifampitohizana  

dia nanao hoe: «Tompo ô, raha nahita fitia eo imasonao aho, aza dia lalovana fotsiny lahy ny mpanomponao,


«Izao re mba miantranoa, Tompoko, ato amin’ny mpanomponareo, mba handry anio alina; sasao ny tongotrareo dia hifoha maraina koa ianareo, dia hanohy ny dianareo ianareo.» Hoy ny navalin’izy ireo: «Tsia, ety an-kianja izahay no handry anio alina.»


Niambezo mafy tamin’izy ireo anefa i Lôta ka nivily nankao aminy izy, dia niditra tao an-tranony. Nanaovany sakafo tsara izy, sy nandrahoany mofo tsy misy lalivay, ka dia nihinana izy ireo.


Nahita ny masom-bola sy ny haba tany an-tanan’ny anabaviny izy, ary nandre ny tenin-dRebekà anabaviny hoe: Izao sy izao no nolazain-dralehilahy tamiko, ka nankeo amin-dralehilahy izay nijanona teo anilan’ny rameva tao amin’ny loharano izy, ka nanao hoe:


Aoka hianiana ianao fa tsy hanisy ratsy anay, araka ny tsy nikasihanay anao akory, na nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa nampandehaninay soa aman-tsara ianao. Ary ianao izao no ilay hasoavin’i Iaveh.› »


Vao nandre ny filazàny an’i Jakôba zanak’anabaviny i Labàna dia nihazakazaka nitsena azy, ka namihina azy, nanoroka azy, nitondra azy ho any an-tranony. Dia notantarain’i Jakôba tamin’i Labàna izany zavatra rehetra izany,


Hitahy anareo anie i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany!


Vato soa ho an’izay manana azy ny fanatitra, ka amin’izay itodihany ahombiazany avokoa.


Ny fanatitra omen’ny olona no mahalalaka ny lalany, sy mampiditra azy eo amin’ny lehibe.


nilaza tamin-dreniny hoe: «Ilay vola zato amby arivo sikla izay nalain’olona taminao sy nanononanao ozona, ary ren’ny sofiko aza ny nanononanao izany, dia indro eto an-tanako izany vola izany, izaho no naka.» Ary hoy ireniny: «Hotahin’i Iaveh anie ny zanako.»


Dia hoy izy: «Hohasoavin’i Iaveh anie ianao, anaka, fa mihoatra noho ny voalohany ny fitiavanao farany, satria tsy mba nitady izay hoe tanora ianao, na manan-karena izany, na mahantra.