Nony tonga tao am-pantsakana aho androany, dia nanao hoe: ‹Ry Iaveh, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, raha mba sitrakao ihany ny hanambina ny dia nalehako,
Genesisy 24:11 - Baiboly Katolika Nampandohalihiny teo ivelan’ny tanàna anilan’ny lavaka fantsakana ny rameva, nony harivariva tamin’ilay fivoahan’ny vehivavy hantsaka iny; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nampandohalehiny teo ivelan’ny tanàna teo akaikin’ny lavaka fantsakan-drano ireo rameva, nony harivariva ny andro, dia amin’ilay fotoana fandehanan’ny vehivavy mantsaka iny. DIEM PROTESTANTA Nony tonga teo akaikin’ny fantsakana teo ivelan’ny tanàna izy, dia nampandohalika ny rameva, fa fotoana hariva fivoahan’ny vehivavy mantsaka tamin’izay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony tonga teo akaikin’ny fantsakana teo ivelan’ny tanàna izy, dia nampandohalika ny rameva, fa fotoana hariva fivoahan’ny vehivavy mantsaka tamin’izay. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nampandohalehiny teo ivelan’ny tanàna tanilan’ny lavaka fantsakan-drano ny rameva, rehefa harivariva ny andro, dia tamin’ilay fandehanan’ny vehivavy mpantsaka iny. Malagasy Bible Ary nampandohalehiny teo ivelan'ny tanàna tanilan'ny lavaka fantsakan-drano ny rameva, rehefa harivariva ny andro, dia tamin'ilay fandehanan'ny vehivavy mpantsaka iny La Bible en Malgache Nampandohalehiny teo ivelan’ny tanàna teo akaikin’ny lavaka fantsakan-drano ireo rameva, nony harivariva ny andro, dia amin’ilay fotoana fandehanan’ny vehivavy mantsaka iny. |
Nony tonga tao am-pantsakana aho androany, dia nanao hoe: ‹Ry Iaveh, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, raha mba sitrakao ihany ny hanambina ny dia nalehako,
Nitazana izy ka indro lavaka fantsakana anankiray teny an-tsaha, ary indreo nisy ondry telo dia, nandry teo anilany, fa teo amin’izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan-drano ny biby fiompy, ary lehibe ny vato teo ambonin’ny vava lavaka.
Nony ren’i Faraôna ny zavatra nitranga dia notadiaviny hovonoina i Môizy, saingy nandositra ny tanan’i Faraôna izy, ka nankany amin’ny tany Madiàna, dia nipetraka teo anilan’ny lavaka fantsakana.
Nanan-janaka fito mirahavavy ny mpisorona tao Madiàna; ary tonga nanovo rano izy ireo, dia nameno ny tavy hampisotroany ny biby fiompin-drainy.
Dia inty nisy vehivavy Samaritanina anankiray tonga teo hantsaka rano, ka hoy i Jesoa taminy: «Mba omeo kely Aho hosotroiko»
Aoka ny mpandefa zana-tsipîka eo akaikin’ny rano fisotroam-biby, hankalaza amin’ny feony ny fahamarinan’i Iaveh, dia ny fahamarinana nataony tamin’ny taniny, ao amin’i Israely! Tamin’izay ny vahoakan’i Iaveh nidina ho eny am-bavahadiny.
Niakatra ny fiakarana mankao an-tanàna izy ireo, no nifanena tamin’ireto zazavavy nivoaka hantsaka rano, ka nanao tamin’ireo hoe: «Ao ihany va ny mpahita?»