Genesisy 23:13 - Baiboly Katolika ka niteny tamin’i Efrôna teo anatrehan’ny vahoaka tompon-tany hoe: «Aoka ihany re mba hohenoinao aho: ‹Omeko ny vidin’ny saha, ka mba raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin’ny vadiko.› » Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ka niteny tamin’i Efrona teo anatrehan’ireo tompon-tany hoe: Raha mba hihaino ahy ihany anefa ianao dia homeko ny vidin’ny saha; raiso avy amiko izany dia haleviko ao ny fatin’ny vadiko. DIEM PROTESTANTA dia niteny tamin’i Hefrôna mba ho ren’ny besinimaro ka nanao hoe: –Raha marina fa hihaino ahy tokoa ianao, mba raiso avy amiko ny vidin’ny saha efa natolotro; dia haleviko ao tokoa ny fatin’ny vadiko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia niteny tamin’i Hefrôna mba ho ren’ny besinimaro ka nanao hoe: –Raha marina fa hihaino ahy tokoa ianao, mba raiso avy amiko ny vidin’ny saha efa natolotro; dia haleviko ao tokoa ny fatin’ny vadiko. Baiboly Protestanta Malagasy dia niteny tamin’i Efrona teo anatrehan’ny olona tompon-tany ka nanao hoe: Kanefa raha mba hihaino ahy ihany hianao, dia homeko ny vidin’ny saha; raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin’ny vadiko. Malagasy Bible dia niteny tamin'i Efrona teo anatrehan'ny olona tompon-tany ka nanao hoe: Kanefa raha mba hihaino ahy ihany ianao, dia homeko ny vidin'ny saha; raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin'ny vadiko. La Bible en Malgache ka niteny tamin’i Efrona teo anatrehan’ireo tompon-tany hoe: Raha mba hihaino ahy ihany anefa ianao dia homeko ny vidin’ny saha; raiso avy amiko izany dia haleviko ao ny fatin’ny vadiko. |
Novidiny vola zato kesità tamin’ny zanak’i Hemora, rain’i Sikema, ny lanin-tany nanorenany lay.
Fa hoy ny mpanjaka tamin’i Areonà: «Tsia, fa tiako hovidina vola ihany aminao ireo, fa tsy hanatitra sorona dorana azoko maimaim-poana ho an’i Iaveh Andriamanitro aho.» Dia volafotsy 50 sikla no nividianan’i Davida ny famoloana sy ny omby.
Nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tsy maintsy hiasa toy izany koa ianareo mba hanampiana ny mahantra, ka hahatsiaro ny tenin’i Jesoa Tompo manao hoe: ‹Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.› »
Aoka tsy hisy hanan-trosa aminareo, afa-tsy ny fifankatiavana; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;