Izany no nanaovana io toerana io hoe Bersabea, satria teo izy roa lahy no samy nianiana.
Genesisy 22:19 - Baiboly Katolika Dia niverina nankeny amin’ny mpanompony i Abrahama, ka niainga izy ireo dia niara-nandeha nankany Bersabea. Ary nonina tao Bersabea i Abrahama. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Niverina nankeny amin’ireo mpanompony i Abrahama, dia niainga izy ireo ka niaraka nankany Bery-Sheba. Ary i Abrahama dia nonina tany Bery-Sheba. DIEM PROTESTANTA Dia niverina nankeny amin’ny zatovony i Abrahama. Niainga izy rehetra ka niaraka nankany Beera-Seba; dia teo no niorim-ponenana i Abrahama. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niverina nankeny amin’ny zatovony i Abrahama. Niainga izy rehetra ka niaraka nankany Beera-Seba; dia teo no niorim-ponenana i Abrahama. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Abrahama dia niverina nankeny amin’ny zatovony; dia niainga izy ka niaraka nankany Beri-sheba; ary Abrahama dia nonina tany Beri-sheba. Malagasy Bible Ary Abrahama dia niverina nankeny amin'ny zatovony; dia niainga izy ka niaraka nankany Beri-sheba; ary Abrahama dia nonina tany Beri-sheba. La Bible en Malgache Niverina nankeny amin’ireo mpanompony i Abrahama, dia niainga izy ireo ka niaraka nankany Bery-Sheba. Ary i Abrahama dia nonina tany Bery-Sheba. |
Izany no nanaovana io toerana io hoe Bersabea, satria teo izy roa lahy no samy nianiana.
dia nilaza tamin’ireto mpanompony i Abrahama nanao hoe: «Mijanòna eto amin’ny ampondra ianareo, fa izaho sy ny zaza dia mikasa ho erỳ hivavaka, vao hiverina eto aminareo indray.»
Dia nivoaka ny zanak’i Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea sy ny tany Galaada; ka nivory teo anatrehan’i Iaveh tany Masfà, toy ny olona iray ihany, ny fiangonana.
I Joela no anaran’ny zanany lahimatoa, ary i Abià no anaran’ny faharoa. Tany Bersabe izy ireo no nitsara.