Nifindra niala teo i Abrahama, dia nankany amin’ny faritany atsimo, ka nonina teo anelanelan’i Kadesa sy i Sora, ary nitoetra kelikely tao Jerara izy.
Genesisy 21:34 - Baiboly Katolika Naharitra ela no nitoerany tany amin’ny Filistinina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nivahiny naharitra tany amin’ny tanin’ny Filistina i Abrahama. DIEM PROTESTANTA Naharitra ela ny fivahinian’i Abrahama tao amin’ny tanin’ny Filistinina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Naharitra ela ny fivahinian’i Abrahama tao amin’ny tanin’ny Filistinina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Abrahama nivahiny elaela ihany tany amin’ny tanin’ny Filistina. Malagasy Bible Ary Abrahama nivahiny elaela ihany tany amin'ny tanin'ny Filistina. La Bible en Malgache Ary nivahiny naharitra tany amin’ny tanin’ny Filistina i Abrahama. |
Nifindra niala teo i Abrahama, dia nankany amin’ny faritany atsimo, ka nonina teo anelanelan’i Kadesa sy i Sora, ary nitoetra kelikely tao Jerara izy.
Dia niverina nankeny amin’ny mpanompony i Abrahama, ka niainga izy ireo dia niara-nandeha nankany Bersabea. Ary nonina tao Bersabea i Abrahama.
Ka izahay dia vahiny sy voanjo ihany eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra; ary ny andronay eto an-tany dia tahaka ny aloka ihany, ka tsy misy azo antenaina.
Raha faizinao ny olona, ka manasazy azy amin’ny fahadisoany Ianao, dia mandrava izay maminy indrindra, toy ny kalalao Ianao. Eny, tso-drivotra foana ny olombelona. - Selà
Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ny finoana, nefa tsy mbola nahazo ny nampanantenaina, fa nahatazana azy lavitra fotsiny, dia niarahaba azy tamin-karavoana sy fiekena hoe: vahiny sy mpivahiny izy no etỳ an-tany.
Ny finoana no nitoerany tany amin’ny tany nampanantenaina toy ny any an-tany fivahiniana, tranolay no nitoerany; toy izany koa i Isaaka sy i Jakôba izay mpandova izany teny nampanantenaina izany koa;
Ry malala, mamporisika anareo hifady ny fanirian’ny nofo izay manohitra ny fanahy aho, noho ny maha-vahiny sy mpivahiny anareo.