Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 21:15 - Baiboly Katolika

Nony lany ny rano tamin’ilay siny hoditra, dia nariany teo am-poto- kazo kely anankiray ny zaza;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa lany ny rano tao amin’ny siny hoditra dia nariany teo am-pototry ny hazo iray ny zaza.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Rehefa tapitra ny rano tao amin’ny siny hoditra, dia navelan’i Hagara teo am-pototry ny hazo iray ny zaza;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa tapitra ny rano tao amin’ny siny hoditra, dia navelan’i Hagara teo am-pototry ny hazo iray ny zaza;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa lany ny rano tao amin’ny siny hoditra, dia nariany teo ampototry ny hazo kely anankiray ny zaza.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa lany ny rano tao amin'ny siny hoditra, dia nariany teo ampototry ny hazo kely anankiray ny zaza.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa lany ny rano tao amin’ny siny hoditra dia nariany teo am-pototry ny hazo iray ny zaza.

Jereo ny toko



Genesisy 21:15
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia nifoha maraina koa i Abrahama, ka naka mofo sy rano eran’ny siny hoditra anankiray; nomeny an’i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa, dia nalefany izy. Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an’efitr’i Bersabea tany.


ary lasa izy nipetraka lavidavitra tandrifiny sahabo ho tra-tsipîka fa hoy izy: «Tsy tiako ny hahita ny hahafatesan’ny zaza.» Koa nipetraka tandrifiny izy, dia nanandra-peo ary nitomany.


Fa hoy ny navaliny: «Velona i Iaveh Andriamanitrao, tsy misy zavatra masaka ao amiko; lafarina eran-tanan’ila ao am-bilany sy diloilo kely foana ao amin’ny siny no hany ananako. Ary indro aho manangona tapa-kazo roa izao, dia hody hanamboatra izany ho anay mianaka; hohaninay izany, dia ho faty izahay.»


Dia niainga ny mpanjakan’i Israely sy ny mpanjakan’i Jodà ary ny mpanjakan’i Edôma. Nony nandeha lalan-kafitoana izy ireo, dia tsy nisy rano ho an’ny tafika sy ny biby nomba azy,


Salamon’i Davida. Fony izy tany an’efitr’i Jodà .


Ny mpanefy vy miasa amin’ny fandraka, ataony amin’ny arina mivaivay ny taozavatra, amboariny amin’ny tantanana, foromporoniny amin’ny sandry matanjaka izy. Kanefa noana izy, ka indro tsy manan-kery; tsy misotro rano, ka indro reraka.


Irahin’ny lehibe haka rano ny madinika, dia mankany amin’ny lavaka famorian-drano ireo, fa tsy mahita rano; ka miverina mitondra siny foana; menatra sy mangaihay, ary misaron-doha foana.