Tamin’izay dia nalatsak’i Iaveh tamin’i Sôdôma sy Gômôra ny afo sy solifara avy any amin’i Iaveh any an-danitra,
Genesisy 20:4 - Baiboly Katolika Mbola tsy nikasika an-dravehivavy anefa i Abimeleka ka namaly hoe: «Tompo ô, hovonoinao va ny olona na dia tsy manan-tsiny aza? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy mbola nanakaiky azy anefa i Abimeleka ka hoy izy: Tompo ô, hovonoinao koa va izay firenena marina? DIEM PROTESTANTA I Abimelèka anefa tsy mbola nanatona akaiky an-dravehivavy akory, ka nilaza hoe: –Tompo ô, moa haringanao koa va ny tenako sy ny fireneko na dia tsy diso aza izahay? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Abimelèka anefa tsy mbola nanatona akaiky an-dravehivavy akory, ka nilaza hoe: –Tompo ô, moa haringanao koa va ny tenako sy ny fireneko na dia tsy diso aza izahay? Baiboly Protestanta Malagasy Fa Abimeleka anefa tsy mbola nanakaiky azy, ka hoy izy: Tompo ô, hovonoinao koa va izay firenena marina? Malagasy Bible Fa Abimeleka anefa tsy mbola nanakaiky azy, ka hoy izy: Tompo ô, hovonoinao koa va izay firenena marina? La Bible en Malgache Tsy mbola nanakaiky azy anefa i Abimeleka ka hoy izy: Tompo ô, hovonoinao koa va izay firenena marina? |
Tamin’izay dia nalatsak’i Iaveh tamin’i Sôdôma sy Gômôra ny afo sy solifara avy any amin’i Iaveh any an-danitra,
Moa tsy nolazainy tamiko hoe: Anabaviko io? Ary ravehivavy koa nilaza tamiko hoe: Anadahiko izy. Ary fo mahitsy sy tanana madio no nanaovako izany.»
Dia hoy Andriamanitra taminy tamin’ny nofy: «Izaho koa mahalala fa fo mahitsy no nanaovanao izany; izay no niarovako anao tsy hanota amiko. Ka tsy navelako hikasika azy ianao.
ka mainka raha olona ratsy fanahy no namono olona tsy manan-tsiny, any an-tranony, eo am-pandriany, tsy maintsy hitaky eo amin’ny tananareo ny rany aho sy hamongotra anareo amin’ny tany!»
Ary hoy i Davida tamin’Andriamanitra: «Moa tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao izany ratsy izany, fa ireo kosa, ireo ondry ireo, mba naninona? Ry Iaveh Andriamanitra ô, izaho sy ny fianakavian’ikaky no aoka hasian’ny tananao, fa aza dia ny vahoakanao no aringana!»