Nasiany soa i Abrama noho ny amin-dravehivavy, ka nahazo ondry, omby, ampondra, mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ampondra vavy sy rameva.
Genesisy 20:14 - Baiboly Katolika Dia naka omby sy ondry sy ankizy lahy aman’ankizy vavy i Abimeleka ka nomeny an’i Abrahama, ary i Sarà vadiny naveriny taminy koa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary naka ondry, omby, mpanompolahy ary mpanompovavy, i Abimeleka ka nomeny an’i Abrahama ireny sady naveriny taminy i Saraha vadiny. DIEM PROTESTANTA Dia naka ondry sy osy aman’omby ary mpanompolahy sy mpanompovavy i Abimelèka, ka nomeny an’i Abrahama; naveriny taminy koa i Sarà vadiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia naka ondry sy osy aman’omby ary mpanompolahy sy mpanompovavy i Abimelèka, ka nomeny an’i Abrahama; naveriny taminy koa i Sarà vadiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Abimeleka naka ondry sy omby sy ankizilahy ary ankizivavy, ka nomeny an’i Abrahama ireny; ary Saraha vadiny dia naveriny teo aminy. Malagasy Bible Ary Abimeleka naka ondry sy omby sy ankizilahy ary ankizivavy, ka nomeny an'i Abrahama ireny; ary Saraha vadiny dia naveriny teo aminy. La Bible en Malgache Ary naka ondry, omby, mpanompolahy ary mpanompovavy, i Abimeleka ka nomeny an’i Abrahama ireny sady naveriny taminy i Saraha vadiny. |
Nasiany soa i Abrama noho ny amin-dravehivavy, ka nahazo ondry, omby, ampondra, mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ampondra vavy sy rameva.
Ary izao no navalin’i Abrahama: «Hoy aho anakampoko: Tsy misy tahotra an’Andriamanitra kely akory angamba amin’ity tany ity, ka hovonoin’ny olona aho, noho ny amin’ny vadiko.
I Sarà vadiny no lazain’i Abrahama hoe: «Anabaviko io.» Naniraka olona haka an’i Sarà i Abimeleka mpanjakan’i Jerara.
Koa ankehitriny avereno ny vadin’io lehilahy io, fa mpaminany izy, ka hivavaka ho anao, dia ho velona ianao. Fa raha tsy averinao io, fantaro fa ho faty mihitsy ianao, dia ianao mbamin’izay rehetra ambanin’ny fahefanao.»
Tamin’izany andro izany, i Abimeleka narahin’i Fikôla, filohan’ny tafiny, niteny tamin’i Abrahama hoe: «Omban’Andriamanitra ianao amin’izay rehetra ataonao.
Fa raha izany mpanompo izany kosa, no manao anakampo hoe: ‹Ela vao ho avy ny tompoko› ka amin’izany dia mikapoka ny ankizy lahy sy ny ankizy vavy izy, sady mihinana sy misotro ka mamo,