Ny alin’izay ihany, dia nampisotroiny divay tokoa irainy, ka niditra nandry tao amin-drainy ilay zokiny; tsy nisy hitany anefa, na ny nandrian-janany na ny niarenany.
Genesisy 19:34 - Baiboly Katolika Nony ampitso, dia hoy ilay zokiny tamin’ny zandriny: «Efa nandry tamin’i dada aho alina, ka handeha indray hampisotrointsika divay izy, anio alina, dia mandehana mandry aminy ianao, mba hananantsika fara mandimby avy amin’ny raintsika.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony ampitson’iny dia hoy ny vavimatoa tamin’ny zandriny: Indro, efa nandry tamin’ny raintsika aho alina; aoka hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia midira ianao ka mandria aminy hananantsika taranaka avy amin’ny raintsika. DIEM PROTESTANTA Nony ampitso dia hoy ilay zokiny tamin-jandriny: –Indro efa nandry tamin’ny raiko aho halina! Andeha hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia tongava ianao handry aminy, dia hamelona taranaka avy amin’ny raintsika isika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony ampitso dia hoy ilay zokiny tamin-jandriny: –Indro efa nandry tamin’ny raiko aho halina! Andeha hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia tongava ianao handry aminy, dia hamelona taranaka avy amin’ny raintsika isika. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony ampitson’iny, dia hoy ny vavimatoa tamin’ny zandriny: Indro, efa nandry tamin’ny raintsika aho halina; aoka hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia midira hianao ka mandria aminy hananantsika fara avy amin’ny raintsika. Malagasy Bible Ary nony ampitson'iny dia hoy ny vavimatoa tamin'ny zandriny: Indro, efa nandry tamin'ny raintsika aho halina; aoka hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia midìra ianao ka mandria aminy hananantsika fara avy amin'ny raintsika. La Bible en Malgache Nony ampitson’iny dia hoy ny vavimatoa tamin’ny zandriny: Indro, efa nandry tamin’ny raintsika aho alina; aoka hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia midira ianao ka mandria aminy hananantsika taranaka avy amin’ny raintsika. |
Ny alin’izay ihany, dia nampisotroiny divay tokoa irainy, ka niditra nandry tao amin-drainy ilay zokiny; tsy nisy hitany anefa, na ny nandrian-janany na ny niarenany.
Ny alin’iny ihany dia nampisotroiny divay indray ny rainy, ka niditra nandry taminy ilay zandriny, tsy misy hitany anefa na izay nandriany na izay niarenany.
Ny toetry ny tarehiny no miampanga azy ireo; mampiharihary ny fahotany, tahaka an’i Sôdôma izy, fa tsy miery amin’izany akory. Loza ho an’ireo fa ny tenany no fototry ny fahaverezany.
ka voasakana ny oram-pararano tsy nisy ny oran-dohataona. Nefa handrim-behivavy janga ny anao, ka tsy nety nahalala menatra ianao.
Ry Iaveh ô, tsy ny fo mahatoky va no tadiavin’ny masonao? Nikapoka azy Ianao, fa tsy nalahelo izy; nandripaka azy Ianao, fa tsy nety nino anatra izy; nohamafisiny mihoatra noho ny vatolampy ny tavany, tsy nety nibebaka izy.
Homenàriny izy, fa nanao fahavetavetana; nefa tsy mba mahalala menatra intsony izy, ary tsy mba valahara! Koa dia hiara-davo amin’izay lavo izy ireo; ary hiteraka amin’ny andro hamangiako azy izy, hoy i Iaveh.
Homenàrina izy, fa nanao fahavetavetana, nefa tsy mba mahalala menatra intsony izy, ary tsy mba valahara! koa dia hiara-davo amin’izay lavo izy ireo; ary hiteraka amin’ny andro hamangiako azy izy», hoy i Iaveh.