Hoy i Saray tamin’i Abrama: «Indro efa nataon’i Iaveh momba aho; ka mangataka anao aho mba handeha amin’ny mpanompovaviko, fa angamba hitera- dahy ho ahy izy.» Dia neken’i Abrama ny tenin’i Saray.
Genesisy 19:31 - Baiboly Katolika Ary hoy ilay zokiny tamin’ny zandriny: «Efa antitra ity ny raintsika, nefa amin’ity tany ity tsy misy lehilahy handeha amintsika, araka ny fanaon’ny tany rehetra, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy ny vavimatoa tamin’ny zandriny: Efa antitra izao raintsika, ary tsy misy lehilahy etỳ ambonin’ny tany hanambady antsika araka ny fanaon’ny tany rehetra. DIEM PROTESTANTA Indray andro, dia hoy ilay zokiny tamin-jandriny: –Antitra ity ny raintsika, ary tsy misy lehilahy eto amin’ny faritany mba hanambady antsika araka ny fanaon’ny tany rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Indray andro, dia hoy ilay zokiny tamin-jandriny: –Antitra ity ny raintsika, ary tsy misy lehilahy eto amin’ny faritany mba hanambady antsika araka ny fanaon’ny tany rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy ny vavimatoa tamin’ny zandriny: Efa antitra izao raintsika, ary tsy misy lehilahy ambonin’ny tany hanambady antsika araka ny fanaon’ny tany rehetra; Malagasy Bible Ary hoy ny vavimatoa tamin'ny zandriny: Efa antitra izao raintsika, ary tsy misy lehilahy ambonin'ny tany hanambady antsika araka ny fanaon'ny tany rehetra; La Bible en Malgache Ary hoy ny vavimatoa tamin’ny zandriny: Efa antitra izao raintsika, ary tsy misy lehilahy etỳ ambonin’ny tany hanambady antsika araka ny fanaon’ny tany rehetra. |
Hoy i Saray tamin’i Abrama: «Indro efa nataon’i Iaveh momba aho; ka mangataka anao aho mba handeha amin’ny mpanompovaviko, fa angamba hitera- dahy ho ahy izy.» Dia neken’i Abrama ny tenin’i Saray.
Nandeha tamin’i Agara izy, dia nanana anaka ravehivavy; ary nony hitany fa nanana anaka izy, dia nataony tsinontsinona ny tompovaviny.
Nitazana nankany Sôdôma sy Gômôra mbamin’ny tany lemaka rehetra izy, ka nahita setroka niakatra avy amin’ny tany toy ny setroka avy amin’ny memy.
Ary i Adama nahalala an’i Eva vadiny, ka nanana anaka izy, dia niteraka an’i Kaina, sy nanao hoe: «Efa nampisy olona anankiray aho tamin’ny fanampian’i Iaveh.»
Ary tamin’izany andro izany dia nisy ny Rapeton’olona teto ambonin’ny tany, dia rehefa nankamin’ny zanaka vavin’ny olombelona ny zanak’Andriamanitra, sy efa nahary zaza taminy. Ary ireny no olo-mahery nalaza hatrizay ela izay.
Amin’izany andro izany, hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray, hanao hoe: «Ny mofonay no hohaninay, ary ny fitafianay no hitafianay, fa aoka mba hitondra ny anaranao izahay, ka halànao tondromaso.»
Tamin’izay dia nisy rahona nanarona azy; ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: «Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy.»
«Raha misy mpirahalahy miara-monina, maty momba ny iray aminy, dia aoka ny vadin’ny maty tsy hanambady vahiny any ivelany fa ny rahalahin’ny vadiny ihany no aoka handeha hanatona azy hanambady azy, sy hitondra loloha azy.