Dia nanopy ny masony i Lôta ka nahita ny tany lemak’i Jordany rehetra, izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io, talohan’ny nandravan’i Iaveh an’i Sôdôma sy i Gômôra, dia tahaka ny sahan’i Iaveh, tahaka ny tany Ejipta akaikin’i Tsôara.
Genesisy 19:25 - Baiboly Katolika ka nandrava ireo tanàna ireo, mbamin’ny tany lemaka rehetra, sy ny mponina rehetra tamin’ny tanàna, ary ny zava-maniry rehetra teo amin’ny tany Izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ka nandrava ireo tanàna, ny tany lemaka rehetra, ny mponina manontolo tao an-tanàna ary ny zavamaniry teo amin’ny tany. DIEM PROTESTANTA ka nandevona ireo tanàna ireo sy ny mponina rehetra tao aminy ary ny faritany manontolo sy ny zava-maniry rehetra tao aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka nandevona ireo tanàna ireo sy ny mponina rehetra tao aminy ary ny faritany manontolo sy ny zava-maniry rehetra tao aminy. Baiboly Protestanta Malagasy ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary ny zava-maniry teo amin’ny tany. Malagasy Bible ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary ny zava-maniry teo amin'ny tany. La Bible en Malgache ka nandrava ireo tanàna, ny tany lemaka rehetra, ny mponina manontolo tao an-tanàna ary ny zavamaniry teo amin’ny tany. |
Dia nanopy ny masony i Lôta ka nahita ny tany lemak’i Jordany rehetra, izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io, talohan’ny nandravan’i Iaveh an’i Sôdôma sy i Gômôra, dia tahaka ny sahan’i Iaveh, tahaka ny tany Ejipta akaikin’i Tsôara.
I Abrama nonina tamin’i Kanaana, ary i Lôta kosa nonina tao afovoan’ireo tanàna eo amin’ny tany lemaka sy nanorina ny lainy hatrany Sôdôma.
Ary i Babilôna, ilay ravaky ny fanjakana maro, haingon’ny Kaldeanina be rehareha, dia hanahaka an’i Sôdôma sy i Gômôra izay noravan’Andriamanitra. Tsy hisy mponina intsony ao aminy,
Aoka izany olona izany ho toy ny tanàna noravan’i Iaveh, ka tsy nanenenany! Aoka izy, ny maraina, handre ny fitarainan’ny olon-dresy, ary ny mitataovovonana, ny akoralavan’ny mpandresy!
Tamin’ireo mpaminanin’i Jerosalema kosa anefa nahita zava-mahatsiravina Aho, fa izy ireo maka vadin’olona sy mandeha araka ny lainga, mankahery ny tanan’ny ratsy fanahy, mba tsy hisy miverina avy amin’ny haratsiany izy ireo. Amiko izy rehetra, tonga tahaka an’i Sôdôma; ary ny mponina ao Jerosalema tahaka an’i Gômôra.
Hanahaka ny nandravana an’i Sôdôma sy i Gômôra mbamin’ireo tanàna nanodidina azy izy, hoy i Iaveh; ka tsy hisy olona monina ao, na hisy zanak’olombelona hipetraka ao.
Toy ny tamin’ny nandravan’Andriamanitra an’i Sôdôma sy i Gômôra, mbamin’ireo tanàna manodidina azy, - teny marin’i Iaveh, - no tsy hisian’olona monina eo; ny zanak’olombelona tsy hitoetra eo.
Fa ny heloky ny zanaka vavin’ny vahoakako tafahoatra noho ny fahotan’i Sôdôma, izay noravana indray mihelina monja, nefa tsy nisy tanana niainga hamely azy.
Nandroso niavonavona izy ireo, ka nanao fahavetavetana teo imasoko; ary nony nahita izany Aho, dia nataoko tsy nisy intsony izy.
Nahatonga fanakorokoroana ao anatinareo Aho toy ny nanakorokoroan’Andriamanitra an’i Sôdôma sy Gômôra, ary ianareo izany, dia toy ny forohana voatsoaka tamin’ny hain-trano; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, - teny marin’i Iaveh. -
Ka noho izany dia velona Aho, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: - i Moaba hanahaka an’i Sôdôma; ary ny taranak’i Amôna ho tahaka an’i Gômôra: fitoerana nafoy ho an’ny amiana sy tany ihadian-tsira, ho efitra mandrakizay. Izay sisa amin’ny vahoakako hamabo azy, ary izay tavela amin’ny fireneko no hahazo azy ho lovany.
ka hiteny izany firenena rehetra izany hanao hoe: Nahoana i Iaveh no dia nanao izao tamin’izany tany izany? Inona no dia nahatonga izao firehetam-pahatezerana lehibe izao? Dia hisy hilaza hanao hoe:
matoa nohelohiny hofongorana sy hanjary lavenona ny tanànan’i Sôdôma sy i Gômôra, ary nataony ho anatry ny mpanao ratsy atỳ aoriana;