dia hangalako mofo kely ianareo hataonareo tohan’aina, vao manohy ny dianareo ianareo, fa izany no nandalovanareo amin’ny mpanomponareo.» Dia hoy ny navalin’ireo: «Ataovy àry, araka izay voalazanao.»
Genesisy 18:6 - Baiboly Katolika Dia niverina faingana i Abrahama nankeo an-day amin’i Sarà ka nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nandeha haingana i Abrahama nankany an-day tany amin’i Saraha ka niteny hoe: Faingàna ianao ka makà koba tsara toto intelon’ny famarana, dia fetafetao ka anamboary mofo. DIEM PROTESTANTA Koa niverina faingana ho any an-day i Abrahama hilaza amin’i Sarà hoe: –Haingàna maka lafarinina tsara indrindra intelon’ny famarana ka manendasa mofo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa niverina faingana ho any an-day i Abrahama hilaza amin’i Sarà hoe: –Haingàna maka lafarinina tsara indrindra intelon’ny famarana ka manendasa mofo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nandeha faingana Abrahama nankany an-day tany amin’i Saraha ka nanao hoe: Faingàna, makà koba tsara toto intelon’ny famarana; dia fetafetao ka ataovy mofo. Malagasy Bible Dia nandeha faingana Abrahama nankany an-day tany amin'i Saraha ka nanao hoe: Faingana, makà koba tsara toto intelon'ny famarana; dia fetafetao ka ataovy mofo. La Bible en Malgache Dia nandeha haingana i Abrahama nankany an-day tany amin’i Saraha ka niteny hoe: Faingàna ianao ka makà koba tsara toto intelon’ny famarana, dia fetafetao ka anamboary mofo. |
dia hangalako mofo kely ianareo hataonareo tohan’aina, vao manohy ny dianareo ianareo, fa izany no nandalovanareo amin’ny mpanomponareo.» Dia hoy ny navalin’ireo: «Ataovy àry, araka izay voalazanao.»
Niambezo mafy tamin’izy ireo anefa i Lôta ka nivily nankao aminy izy, dia niditra tao an-tranony. Nanaovany sakafo tsara izy, sy nandrahoany mofo tsy misy lalivay, ka dia nihinana izy ireo.
Dia nandry tokoa i Amnôna sy nody narary. Tonga namangy azy ny mpanjaka ary hoy i Amnôna taminy: «Raha sitrakao, aoka i Tamara anabaviko ho avy hanao mofomamy roa eto imasoko, ka hihinana izany avy eny an-tanany aho.»
Fa ny andriana manan-kevitra mendrika andriana, sy hitsangan-kanao asa mendrika andriana.
Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lalivay, izay nalain’ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ny koban-dafarina intelon’ny famarana, mandra-pahazon’ny lalivay azy rehetra.
Ary rehefa vita Batemy izy mbamin’ny ankohonany, dia nangataka taminay izy nanao hoe: «Raha mba ataonareo ho mpanompon’Andriamanitra koa aho, dia midira ao an-tranoko ka mitoera ao.» Nanaovany lemozy mihitsy izahay.
Efa voaantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry kristianina havana; kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon’ny namany avy.
Ary aza manadino ny fandraisam-bahiny, fa ny sasany nanaraka izany dia efa nisy nampiantrano Anjely, nefa tsy nahalala azy.
Nony niditra i Jedeôna dia namboatra zanak’osy ary nanao mofo tsy misy lalivay tamin’ny lafarina iray efah, ka rehefa nataony tao anaty harona ny hena, ary tao anaty vilany ny ro dia nentiny tamin’izay teo ambanin’ny terebinta ka natolony.
Nanan-janak’omby matavy tao aminy ravehivavy, ka novonoiny faingana izay, dia naka lafarina izy, nandity azy, ka nandotra azy ho mofo tsy misy lalivay.