Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 18:33 - Baiboly Katolika

Lasa nandeha i Iaveh nony tapi-niteny tamin’i Abrahama, ary i Abrahama kosa dia nody.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia lasa nandeha NY TOMPO rehefa vita ny teny nataony tamin’i Abrahama, ary niverina ho any amin’ny fonenany i Abrahama.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Rehefa nahavita ny resaka nataony tamin’i Abrahama ny TOMPO, dia lasa; fa i Abrahama kosa niverina any amin’ny fonenany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa nahavita ny resaka nataony tamin’i Abrahama ny TOMPO, dia lasa; fa i Abrahama kosa niverina any amin’ny fonenany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia lasa nandeha Jehovah, rehefa vita ny teny nataony tamin’i Abrahama; ary Abrahama niverina ho any amin’ny fonenany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia lasa nandeha Jehovah, rehefa vita ny teny nataony tamin'i Abrahama; ary Abrahama niverina ho any amin'ny fonenany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia lasa nandeha NY TOMPO rehefa vita ny teny nataony tamin’i Abrahama, ary niverina ho any amin’ny fonenany i Abrahama.

Jereo ny toko



Genesisy 18:33
9 Rohy Ifampitohizana  

Nony tapi-niteny tamin’i Abrahama Andriamanitra dia niakatra izy niala teo aminy.


Nitsangana handeha ireo lehilahy ireo, dia nitodika nankany Sôdôma; i Abrahama izany nandeha niaraka taminy koa hanatitra azy.


Niainga ireo lehilahy ireo, ka nandeha nankany Sôdôma; fa i Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan’i Iaveh ihany.


Tamin’izay dia ren’izy ireo ny feon’i Iaveh Andriamanitra nandalo tao amin’ny saha rehefa nangatsiatsiaka ny andro; ka niery an’i Iaveh Andriamanitra tao anaty hazon’ny saha ralehilahy sy ny vadiny.


Nony ampitso maraina i Labàna nanoroka ny zanany lahy aman-janany vavy, dia nitso-drano azy, vao lasa niverina ho any an-tranony.


Dia nanohy ny diany i Jakôba ary ny Anjelin’Andriamanitra nifanena taminy.


Dia hoy izy tamin’i Jakôba: «Avelao aho handeha, fa efa hazava ratsy ity ny andro.» Fa hoy i Jakôba: «Tsy avelako handeha ianao raha tsy efa nitso-drano ahy.»


Dia niakatra Andriamanitra niala taminy teo amin’ilay fitoerana niresahany taminy.


Ary nirehitra tamin’izy mianadahy ny fahatezeran’i Iaveh, ka lasa Izy.