Koa lazao fa anabaviko ianao, ka ianao no handraisany ahy tsara ary ianao no hamelany ahy ho velona.»
Genesisy 18:15 - Baiboly Katolika Nandà i Sarà nanao hoe: «Tsy nihomehy aho tsy akory;» fa natahotra izy. «Tsia fa nihomehy tokoa ianao,» hoy Izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nandà i Saraha satria natahotra ka hoy izy hoe: Tsy nihomehy izany aho! Fa hoy Ilay niteny teo hoe: Tsia; nihomehy ianao! DIEM PROTESTANTA Fa nandà noho ny tahotra i Sarà ka nanao hoe: –Tsy nihomehy aho. Hoy kosa ny TOMPO hoe: –Tsia, fa nihomehy ianao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa nandà noho ny tahotra i Sarà ka nanao hoe: –Tsy nihomehy aho. Hoy kosa ny TOMPO hoe: –Tsia, fa nihomehy ianao. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nandà Saraha, satria natahotra izy, ka nanao hoe: Tsy nihomehy aho tsy akory. Fa hoy Ilay niteny: Tsia; fa nihomehy mihitsy hianao. Malagasy Bible Dia nandà Saraha satria natahotra izy, ka nanao hoe: Tsy nihomehy aho tsy akory. Fa hoy Ilay niteny: Tsia; fa nihomehy mihitsy ianao. La Bible en Malgache Dia nandà i Saraha satria natahotra ka hoy izy hoe: Tsy nihomehy izany aho! Fa hoy Ilay niteny teo hoe: Tsia; nihomehy ianao! |
Koa lazao fa anabaviko ianao, ka ianao no handraisany ahy tsara ary ianao no hamelany ahy ho velona.»
Moa misy zava-mahatalanjona tsy efan’i Iaveh va na inona na inona? Raha avin-taona toy izao dia hiverina aty aminao indray Aho; ary i Sarà dia hahazo zazalahy.»
Nitsangana handeha ireo lehilahy ireo, dia nitodika nankany Sôdôma; i Abrahama izany nandeha niaraka taminy koa hanatitra azy.
Dia hoy i Iaveh tamin’i Kaina: «Aiza i Abela rahalahinao?» Fa hoy ny navaliny: «Tsy fantatro. Moa mpiambina ny rahalahiko va aho?»
Fa hoy izy taminy: «Miteny toy ny vehivavy adala ianao! Mandray ny soa avy amin’Andriamanitra isika, ka nahoana no tsy handray ny ratsy avy aminy koa?» Tamin’izany rehetra izany i Jôba tsy mba nanota tamin’ny molony.
Raha nanadino ny Anaran’Andriamanitra izahay, sy nanandra-tanana tamin’andriamani-kafa,
Ny lela mpilaza ny marina haharitra mandrakizay; fa ny lela fandainga kosa, ho voakorokoro poa toy izay.
Izay manafina ny fahotany tsy mba hambinina; fa izay mitsotra sy mahafoy izany dia hahazo famindram-po.
Fantatr’i Jesoa tao amin’ny fanahiny niaraka tamin’izay fa nieritreritra izany tao anatiny izy ireo, ka hoy Izy taminy: «Nahoana ianareo no mihevitra toy izany ao am-ponareo?
Fa hoy ity ankizivavy mpiandry vavahady tamin’i Piera: «Moa tsy isan’ny mpianatr’io Lehilahy io koa va ianao?» Ary hoy izy: «Tsia.»
sady tsy mba nila olona hilaza aminy ny amin’ny olona Izy, fa ny Tenany ihany dia nahalala izay ao am-pon’ny olona.
Fantatsika anefa fa izay fehezin’ny Lalàna no ilazan’ny Lalàna ny zavatra rehetra lazainy, mba ho tampina ny vava rehetra, ary mba hiharan’ny fitsaràn’Andriamanitra avokoa izao tontolo izao,
Raha milaza antsika ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena, ary tsy ao anatintsika ny marina.