Ary hoy koa ny anjelin’i Iaveh: «Hataoko marobe ny taranakao, ka tsy ho azo isaina noho ny hamaroany.»
Genesisy 18:10 - Baiboly Katolika Ary hoy izy: «Hiverina aty aminao indray Aho, raha avin-taona toy izao, ary hanana zazalahy i Sarà vadinao.» Ren’i Sarà teo am-baravaran’ny lay, teo ivohony, izany teny izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy Izy: Hiverina atỳ aminao tokoa Aho amin’ny herintaona toy izao; ary indro, hiteraka zazalahy i Saraha vadinao. Ary i Saraha dia nihaino teo am-baravaran’ny tranolay izay tao ambadik’Ilay niteny. DIEM PROTESTANTA Dia nilaza ny iray tamin’ny vahiny hoe: –Hiverina eto aminao aho amin’ny herintaona toy izao, ka hitera-dahy i Sarà vadinao. I Sarà anefa tamin’izay dia nihaino teo am-baravaran’ny tranolay, tao an-damosin’i Abrahama. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nilaza ny iray tamin’ny vahiny hoe: –Hiverina eto aminao aho amin’ny herintaona toy izao, ka hitera-dahy i Sarà vadinao. I Sarà anefa tamin’izay dia nihaino teo am-baravaran’ny tranolay, tao an-damosin’i Abrahama. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro, hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran’ny lay, izay teo ivohon’Ilay niteny. Malagasy Bible Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran'ny lay, izay teo ivohon'Ilay niteny. La Bible en Malgache Ary hoy Izy: Hiverina atỳ aminao tokoa Aho amin’ny herintaona toy izao; ary indro, hiteraka zazalahy i Saraha vadinao. Ary i Saraha dia nihaino teo am-baravaran’ny tranolay izay tao ambadik’Ilay niteny. |
Ary hoy koa ny anjelin’i Iaveh: «Hataoko marobe ny taranakao, ka tsy ho azo isaina noho ny hamaroany.»
Hasiako soa izy, ary izy koa hampiterahako zazalahy aminao. Hasiako soa izy ka ho tonga firenena maro, ary hisy mpanjakam-pirenena avy aminy.»
Hoy Andriamanitra: «Eny, hitera-dahy ho anao i Sarà vadinao; hataonao hoe Isaaka no anarany; ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho, dia fanekena mandrakizay ho an’ny taranany hanaraka azy.
Ny fanekeko anefa dia haoriko amin’i Isaaka, izay haterak’i Sarà, vadinao, ho anao, raha avin-taona toy izao.»
Raha efa izany dia hoy ireo taminy: «Aiza i Sarà vadinao?» Hoy ny navaliny: «Ao an-day ao izy.»
Namangy an’i Sarà i Iaveh araka ilay efa voalazany, notanterahin’i Iaveh tamin’i Sarà ny efa nampanantenainy.
Nanana anaka i Sarà ka nitera-dahy tamin’i Abrahama, tamin’ny fahanterany, nony tonga ny fotoana nolazain’Andriamanitra azy.
Fa hoy ny Anjely taminy. «Aza matahotra, ry Zakaria, fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka i Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Joany no hataonao anarany:
Ilay zanak’andevovavy, nateraka araka ny nofo; ary ilay zanak’olona afaka, araka ny fampanantenana.