Genesisy 17:22 - Baiboly Katolika Nony tapi-niteny tamin’i Abrahama Andriamanitra dia niakatra izy niala teo aminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa vita ny teny nataon’Andriamanitra taminy dia niakatra Izy ka niala teo amin’i Abrahama. DIEM PROTESTANTA Rehefa vitan’Andriamanitra ny resaka nifanaovany tamin’i Abrahama, dia nandao azy Izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa vitan’Andriamanitra ny resaka nifanaovany tamin’i Abrahama, dia nandao azy Izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa vita ny teny nataony taminy, dia niakatra Andriamanitra niala teo amin’i Abrahama. Malagasy Bible Ary rehefa vita ny teny nataony taminy, dia niakatra Andriamanitra niala teo amin'i Abrahama. La Bible en Malgache Rehefa vita ny teny nataon’Andriamanitra taminy dia niakatra Izy ka niala teo amin’i Abrahama. |
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Hilaza amin’ny zanak’i Israely ianao hanao hoe: Efa nahita ianareo izay, fa niteny taminareo Aho tany an-danitra.
Tsy dia nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka tokana izay ao anatin’ny Ray ihany no hany nanambara Azy.»
Raha ilay miakatra mankany an-danitra avy eo ambonin’ny ôtely iny ny lelafo dia niakatra tao anatin’ny lelafon’ny ôtely ilay Anjelin’i Iaveh. Raha nahita izany i Manôe mivady dia lavo niankohoka tamin’ny tany.
Ary naroson’ny Anjelin’i Iaveh ny lohan’ny tehina teny an-tanany, ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay, dia nisy afo nivoaka niaraka tamin’izay tamin’ny vatolampy, nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay; ary nanjavona tsy hitan’ny masony ny Anjelin’i Iaveh.