Niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy nanao anakampo hoe: «Lehilahy efa zato taona va ka dia mbola hiteraka indray! Ary i Sarà, vehivavy efa sivy folo taona ve ka dia hiteraka!»
Genesisy 17:18 - Baiboly Katolika Dia hoy i Abrahama tamin’Andriamanitra: «Enga anie ka ho velona eo anatrehanao i Ismaely!» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy i Abrahama tamin’Andriamanitra: Enga anie ka Ismaela no ho velona eo anatrehanao! DIEM PROTESTANTA Koa hoy i Abrahama tamin’Andriamanitra: –Enga anie i Jismahela no ho velona eo anatrehanao! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa hoy i Abrahama tamin’Andriamanitra: –Enga anie i Jismahela no ho velona eo anatrehanao! Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Abrahama tamin’Andriamanitra: Enga anie ka Isimaela no ho velona eo anatrehanao! Malagasy Bible Ary hoy Abrahama tamin'Andriamanitra : Enga anie ka Isimaela no ho velona eo anatrehanao! La Bible en Malgache Ary hoy i Abrahama tamin’Andriamanitra: Enga anie ka Ismaela no ho velona eo anatrehanao! |
Niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy nanao anakampo hoe: «Lehilahy efa zato taona va ka dia mbola hiteraka indray! Ary i Sarà, vehivavy efa sivy folo taona ve ka dia hiteraka!»
Hoy Andriamanitra: «Eny, hitera-dahy ho anao i Sarà vadinao; hataonao hoe Isaaka no anarany; ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho, dia fanekena mandrakizay ho an’ny taranany hanaraka azy.
Rehefa hiasa ny tany ianao dia tsy hanome vokatra intsony izy, ary ianao ho mpanjenjena sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany.»
Indro roahinao hiala amin’ity tany ity aho ankehitriny ary ho takona ny tavanao aho, lavitra Anao; ary hanjenjena sy hirenireny, eny ambonin’ny tany aho, ary na iza na iza hahita ahy, hamono ahy.»
fa ny helokareo no nanisy efitra mampisaraka anareo sy ny Andriamanitrareo; ny fahotanareo no nanafenany ny Tavany tsy hihainoany anareo.
Homeko fo iray izy ary hampombaiko lalana iray mba hatahorany Ahy mandrakariva, hiadanan’izy mbamin’ny taranany mamdimby azy.
Satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana, sy ho an’ny zanakareo, ary ho an’izay rehetra any lavitra any, rehefa mety ho nantsoin’ny Tompo Andriamanitsika.»