Ary hoy i Israely tamin’i Josefa: «Indro aho efa ho faty. Kanefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any amin’ny tanindrazanareo indray.
Genesisy 15:14 - Baiboly Katolika Fa hotsaraiko ny firenena izay hanandevo azy, ka rehefa afaka izy ireo dia hivoaka avy any mitondra harem-be. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany dia hiala avy any mitondra fananana be dia be ny taranakao. DIEM PROTESTANTA Avy eo kosa dia hofaiziko ny firenena izay notompoiny, ka hiainga mitondra fananam-be avy any ireo taranakao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy eo kosa dia hofaiziko ny firenena izay notompoiny, ka hiainga mitondra fananam-be avy any ireo taranakao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy. Malagasy Bible Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy. La Bible en Malgache Fa izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany dia hiala avy any mitondra fananana be dia be ny taranakao. |
Ary hoy i Israely tamin’i Josefa: «Indro aho efa ho faty. Kanefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any amin’ny tanindrazanareo indray.
Ary hoy i Josefa tamin’ireo rahalahiny: «Izaho ity ho faty; nefa Andriamanitra kosa dia hamangy anareo tokoa sy hampiakatra anareo avy amin’ity tany ity ho any amin’ny tany nianianany homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba.»
Naneho famantarana amam-pahagagana Izy, teo afovoanao, ry Ejipta, namelezany an’i Faraôna sy ny mpanompony rehetra.
«Nony nisasaka ny alina dia novonoin’i Iaveh avokoa ny lahimatoa tany amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny lahimatoan’i Faraôna mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianany, ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo izay tao amin’ny tranomaizina, ary ny lahy voalohan-teraky ny biby rehetra.
Koa handeha ianao amin’izao, irahiko any amin’i Faraôna, hitondranao mivoaka ny zanak’i Israely vahoakako.»
Nefa hotsaraiko, hoy ny Tompo, ny firenena izay hanandevo azy, ary raha efa izany dia hivoaka izy ka hanompo Ahy amin’ity tany ity.›
fa ianareo, dia nalain’i Iaveh ka nentiny nivoaka avy tao amin’ny memy fandrendreham-by, dia tany Ejipta, mba ho tonga ilay vahoaka voatokana ho lovany tahaka izao ankehitriny izao.
fahagagana amam-pamantarana lehibe sy mandoza no nataon’i Iaveh, namelezany an’i Ejipta sy i Faraôna mbamin’ny ankohonany rehetra, teo imasonay;
Fa i Iaveh Andriamanitsika no nampiakatra antsika mbamin’ny razantsika avy tany amin’ny tany Ejipta, amin’ny trano fanandevozana azy nanao ireo fahagagana lehibe teo imasontsika, ary niaro antsika tamin’ny lalana nalehantsika sy tamin’ny firenena rehetra nandalovantsika.
Taorian’ny nahatongavan’i Jakôba tany Ejipta, dia nitaraina tamin’i Iaveh ny razanareo, ka naniraka an’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh, ary izy ireo nitondra ny razanareo hivoaka avy tany Ejipta, sy namponina azy tamin’ity tany ity.