Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 14:8 - Baiboly Katolika

Tamin’izay no nivoahan’ny, mpanjakan’i Sôdôma, ny mpanjakan’i Gômôra, ny mpanjakan’i Adamà, ny mpanjakan’i Sebôima ary ny mpanjakan’i Balà, dia i Segôra izany, nilahatra tao an-dohasahan’i Sidima hiady tamin’ireo,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia niainga ny mpanjakan’i Sodoma, ny mpanjakan’i Gomora, ny mpanjakan’i Adma, ny mpanjakan’i Zeboima ary ny mpanjakan’i Bela, dia i Zoara izany, ka nilahatra hiady amin’ireo izay tao an-dohasahan’i Sidima,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia niroso ny mpanjakan’i Sôdôma sy ny mpanjakan’i Gômôra sy ny mpanjakan’i Admà sy ny mpanjakan’i Tsebôima ary ny mpanjakan’i Bela na hoe Tsôhara, ka nandahatra ny tafiny hiady tamin’ireo tao an-dohasahan’i Sidima,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia niroso ny mpanjakan’i Sôdôma sy ny mpanjakan’i Gômôra sy ny mpanjakan’i Admà sy ny mpanjakan’i Tsebôima ary ny mpanjakan’i Bela na hoe Tsôhara, ka nandahatra ny tafiny hiady tamin’ireo tao an-dohasahan’i Sidima,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nivoaka ny mpanjakan’i Sodoma sy ny mpanjakan’i Gomora sy ny mpanjakan’i Adma sy ny mpanjakan’i Zeboima ary ny mpanjakan’i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin’ireo teo an-dohasahan’i Sidima,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nivoaka ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora sy ny mpanjakan'i Adma sy ny mpanjakan'i Zeboima ary ny mpanjakan'i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin'ireo teo an-dohasahan'i Sidima,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia niainga ny mpanjakan’i Sodoma, ny mpanjakan’i Gomora, ny mpanjakan’i Adma, ny mpanjakan’i Zeboima ary ny mpanjakan’i Bela, dia i Zoara izany, ka nilahatra hiady amin’ireo izay tao an-dohasahan’i Sidima,

Jereo ny toko



Genesisy 14:8
8 Rohy Ifampitohizana  

Ka ny faritanin’ny Kananeanina tafapaka hatrany Sidona amin’ny tandrifin’ny Jerara ka hatrany Gazà, ary hatramin’ny tandrifin’i Sôdôma, i Gômôra, i Adama ary i Sebôima, dia hatrany Lesà.


Dia nanopy ny masony i Lôta ka nahita ny tany lemak’i Jordany rehetra, izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io, talohan’ny nandravan’i Iaveh an’i Sôdôma sy i Gômôra, dia tahaka ny sahan’i Iaveh, tahaka ny tany Ejipta akaikin’i Tsôara.


Be lavaka ditin-tany tao an-dohasahan’i Sidima, ary nandositra ny mpanjakan’i Sôdôma sy ny mpanjakan’i Gômôra ka latsaka tamin’ireny, ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.


dia tamin’i Kodôrlahômôra mpanjakan’i Elama, i Tadala mpanjakan’i Gôima i Amrafeta mpanjakan’i Senaara, ary i Ariòka mpanjakan’i Elasara; efatra noho dimy ireo mpanjaka ireo.


Jereo fa misy tanàna akaiky hialofako itsy, sady tanàna kely foana, ka aoka re mba ho ao aho no handositra, fa kely rahateo io, dia ho velona aho.»


Fa mandehana faingana àry mandositra ao fa tsy afa-manao na inona na inona aho, raha tsy efa tonga ao ianao.» Izany no nanaovana ny anaran’io tanàna io hoe Segôra.


Hataoko ahoana no famoy anao, ry Efraima, na fanolotra anao, ry Israely? Hataoko ahoana no famela anao ho tahaka an’i Adamà, na fampanjary anao ho tahaka an’i Sebôima? Onena ny foko ato anatiko, ary indray miontana ny fangorahako rehetra.