dia tao amin’ilay tany nisy ôtely natsangany taloha. Ary teo i Abrama niantso ny anaran’i Iaveh.
Genesisy 13:18 - Baiboly Katolika Dia nifindra toby i Abrama ka nandeha nonina teo amin’ny terebintan’i Mambre, izay any Hebrôna, ary teo izy nanangana ôtely ho an’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary namindrafindra ny tobiny i Abrama dia nandeha ka nonina teo amin’ireo hazo terebintan’i Mamre izay any Hebrona. Teo izy no nanorina alitara ho an’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Dia nangoron-day i Abrama ka nandeha nipetraka tao amin’ny hazo ôakan’i Mamre, akaikin’i Hebrôna, ary nanorina alitara teo ho an’ny TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nangoron-day i Abrama ka nandeha nipetraka tao amin’ny hazo ôakan’i Mamre, akaikin’i Hebrôna, ary nanorina alitara teo ho an’ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Abrama nifindrafindra toby, dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan’i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an’i Jehovah izy. Malagasy Bible Ary Abrama nifindrafindra toby. dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an'i Jehovah izy. La Bible en Malgache Ary namindrafindra ny tobiny i Abrama dia nandeha ka nonina teo amin’ireo hazo terebinta*n’i Mamre izay any Hebrona. Teo izy no nanorina alitara ho an’NY TOMPO. |
dia tao amin’ilay tany nisy ôtely natsangany taloha. Ary teo i Abrama niantso ny anaran’i Iaveh.
Dia tonga ny anankiray tamin’ireo mpandositra nilaza izany tamin’i Abrama, Hebrio, izay nonina tao amin’ireo terebintan’i Mambre, dia ilay Amôreana rahalahin’i Eskôla sy Anera, fa olona vita fanekem-pihavanana tamin’i Abrama ireo.
Ary i Iaveh niseho taminy, teo amin’ireo terebintan’i Mambre, raha ilay nipetraka teo am-baravaran’ny lainy iny izy, tamin’ilay nigaingaina iny ny andro.
Nony tonga teo amin’ny fitoerana natoron’Andriamanitra azy izy, dia naorin’i Abrahama teo ny ôtely; nalahany ny kitay hazo, ary nafatony i Isaaka zanany, ka napetrany tambonin’ny ôtely eo ambonin’ny kitay.
Ary i Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana; ka tonga i Abrahama hisaona an’i Sarà sy hitomany azy.
Dia nanangana ôtely teo i Isaaka, ka niantso ny anaran’i Iaveh. Ary niorin-day teo izy, ka nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompony.
Ary i Jakôba tonga tany amin’i Isaaka rainy, tany Mambre, any Kiriat- Arba; dia i Hebrôna izany, izay nitoeran’i Abrahama sy i Isaaka.
Ary hoy i Israely taminy: «Mandehana, zahao raha tsara ihany ny rahalahinao ary raha tsara ny toetry ny biby fiompy. Dia hampandrenesinao ahy izay vaovao any.» Koa nalefany izy hiala tao an-dohasahan’i Hebrôna, dia lasa i Josefa nankany Sikema.
Ary i Nôe dia nanorina ôtely ho an’i Iaveh, ka naka tamin’ny biby madio rehetra mbamin’ny vorona madio rehetra, dia nanolotra sorona dorana teo ambony ôtely.
Taorian’izany dia nanontany an’i Iaveh i Davida nanao hoe: «Hiakatra any amin’ny anankiray amin’ny tanànan’i Jodà va aho?» Dia hoy ny navalin’i Iaveh azy: «Miakara.» Hoy i Davida: «Aiza no hiakarako?» Ary i Iaveh namaly hoe: «Any Hebrôna.»
Niakatra an’i Negeba izy ireo, ka nandroso hatrany Hebrôna, izay nisy an’i Akimàna sy i Sizaia ary i Tolmaia, taranak’i Enàka. I Hebrôna dia naorina fito taona talohan’i Tanisa any Ejipta.
Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tanana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina.
Ny finoana no nitoerany tany amin’ny tany nampanantenaina toy ny any an-tany fivahiniana, tranolay no nitoerany; toy izany koa i Isaaka sy i Jakôba izay mpandova izany teny nampanantenaina izany koa;
Araka ny didin’i Iaveh tamin’i Jôsoe, nomena anjara teo afovoan’ny taranak’i Jodà i Kaleba zanak’i Jefone, dia ny tanànan’i Arbe, rain’i Enaka, dia i Hebrôna izany.