Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 13:1 - Baiboly Katolika

Ary niakatra avy any Ejipta nihazo tany atsimo i Abrama, dia izy sy ny vadiny, mbamin’ny fananany rehetra, ary i Lôta koa niaraka taminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary niakatra niala tany Ejipta ho any Negeva i Abrama, dia izy sy ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra. Ary niaraka taminy koa i Lota.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Avy any Ejipta i Abrama dia niverina nankany Negeva niaraka tamin’ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra. Niaraka taminy koa i Lôta.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy any Ejipta i Abrama dia niverina nankany Negeva niaraka tamin’ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra. Niaraka taminy koa i Lôta.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin’ny tany atsimo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin'ny tany atsimo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary niakatra niala tany Ejipta ho any Negeva i Abrama, dia izy sy ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra. Ary niaraka taminy koa i Lota.

Jereo ny toko



Genesisy 13:1
8 Rohy Ifampitohizana  

Nifindra niala teo i Abrahama, dia nankany amin’ny faritany atsimo, ka nonina teo anelanelan’i Kadesa sy i Sora, ary nitoetra kelikely tao Jerara izy.


Namboly tamarisa tao Bersabea i Abrahama, ary niantso ny anaran’i Iaveh Andriamanitra mandrakizay teo izy.


Ary nalehany koa i Tiro, tanàna mimanda, mbamin’ny tanànan’ny Heveanina sy ny Kananeanina rehetra dia tafapaka amin’ny Negeban’i Jodà, any Bersabea.


Nirahin’i Môizy hisafo ny tany Kanaana izy ireo, nataony hoe: «Miakara ianareo, mihazoa ny Negeba, dia miakara amin’ny tendrombohitra.


Nasian’i Jôsoe avokoa ny tany manontolo, ny tendrombohitra, ny Negeba, ny tany lemaka sy ny tanety, mbamin’ny mpanjakany rehetra; tsy navelany hisy afa-nandositra, fa nataony anatema avokoa rehefa mety ho manana aina koa, araka izay nandidian’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.


Hozarainy fito toko ny tany; i Jodà hitoetra amin’ny faritaniny ao atsimo, ary ny taranak’i Josefa hitoetra amin’ny faritaniny ao avaratra.


Ary hoy i Akisa: «Taiza no nanafika ianareo androany?» Dia namaly i Davida: «Tany amin’ny Negeban’i Jodà, tany amin’ny Negeban’i Jerameelita ary tany amin’ny Negeban’i Kineanina».