Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 12:14 - Baiboly Katolika

Nony tonga tany Ejipta i Abrama, dia hitan’ny Ejiptianina fa tsara tarehy tokoa ny vadiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa tonga tany Ejipta i Abrama dia hitan’ny Ejiptiana fa tsara tarehy tokoa Ravehivavy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nony tonga tany Ejipta i Abrama, dia hitan’ireo Ejiptianina fa tena tsara tarehy tokoa ravehivavy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nony tonga tany Ejipta i Abrama, dia hitan’ireo Ejiptianina fa tena tsara tarehy tokoa ravehivavy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa tonga tany Egypta Abrama, dia hitan’ny Egyptiana fa tsara tarehy indrindra ravehivavy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa tonga tany Egypta Abrama, dia hitan'ny Egyptiana fa tsara tarehy indrindra ravehivavy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa tonga tany Ejipta i Abrama dia hitan’ny Ejiptiana fa tsara tarehy tokoa Ravehivavy.

Jereo ny toko



Genesisy 12:14
7 Rohy Ifampitohizana  

Koa lazao fa anabaviko ianao, ka ianao no handraisany ahy tsara ary ianao no hamelany ahy ho velona.»


Nony nahita azy ny lehibe ao amin’i Faraôna dia nataony laza masaka tamin’i Faraôna izy: ary nalaina ho ao an-dapan’i Faraôna ravehivavy.


I Lià dia narary maso, fa i Rasela sady tsara bika no tsara tarehy.


Ary hitan-dravehivavy fa ny voan’ilay hazo dia fihinana, mahatehijery sy mendrika hoirîna mba hahazoana fahiratan-tsaina; nioty tamin’ny voany izy, dia nihinana ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy, ary nihinana izy.


Ary tatỳ aorian’izany, dia sendra nanopy ny masony tamin’i Josefa ny vadin’ny tompony, ka nanao hoe: «Avia handry amiko.»


dia hitan’ireo zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olombelona, ka naka vady tamin’izy ireo izy, dia tamin’izay rehetra tiany.


Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.