Ireo no taranak’i Kama, araka ny fianakaviany sy araka ny fiteniny avy, any amin’ny taniny sy any amin’ny fireneny avy.
Genesisy 10:21 - Baiboly Katolika Dia nitera-dahy koa i Sema, rain’ny zanak’i Ebera rehetra, sy zokin’i Jafeta. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niteraka koa i Sema, razamben’ireo taranak’i Ebera rehetra, rahalahin’i Jafeta, izay zokiny. DIEM PROTESTANTA I Sema zokin’i Jafeta dia mba niteraka ihany koa, fa izy no razamben’i Hebera sy ny taranany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Sema zokin’i Jafeta dia mba niteraka ihany koa, fa izy no razamben’i Hebera sy ny taranany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niteraka koa Sema, rain’ny zanak’i Ebera rehetra, rahalahin’i Jafeta, izay zokiny. Malagasy Bible Dia niteraka koa Sema, rain'ny zanak'i Ebera rehetra rahalahin'i Jafeta, izay zokiny. La Bible en Malgache Dia niteraka koa i Sema, razamben’ireo taranak’i Ebera rehetra, rahalahin’i Jafeta, izay zokiny. |
Ireo no taranak’i Kama, araka ny fianakaviany sy araka ny fiteniny avy, any amin’ny taniny sy any amin’ny fireneny avy.
Zanak’i Sema: i Elama, i Asora, i Arfaksada, i Loda, i Arana, i Hosa, i Hola, i Getera ary i Mosaoka.