Genesisy 10:14 - Baiboly Katolika ny Fetrôsima, ny Kasloima, izay iavian’ny Filistinina ary ny Kaftorima. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ny Patrosita, ny Kaslohita izay niavian’ny Filistina ary ny Kaftorita. DIEM PROTESTANTA ary tao Patrosy mbamin’ireo Kaslohita sy Kaftôrita izay niavian’ny Filistinina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary tao Patrosy mbamin’ireo Kaslohita sy Kaftôrita izay niavian’ny Filistinina. Baiboly Protestanta Malagasy sy ny Patrosita sy ny Kaslohita (izay nihavian’ny Filistina) ary ny Kaftorita. Malagasy Bible sy ny Patrosita sy ny Kaslohita izay nihavian'ny Filistina ary ny Kaftorita. La Bible en Malgache ny Patrosita, ny Kaslohita izay niavian’ny Filistina ary ny Kaftorita. |
Ary izao no hitranga amin’izany andro izany: Ny Tompo haninjitra ny tanany fanindroany, hanavotra ny sisa amin’ny vahoakany, izay sisa mbola ho hita any Asiria sy Ejipta, sy Patrôsy, Etiôpia, Elama, Senaara, Hamata sy ireo nosy amin’ny ranomasina.
Ny teny tonga tamin’i Jeremia, ho an’ny Jodeanina rehetra nitoetra tany amin’ny tany Ejipta, dia izay nitoetra tany Migdôla, tany Tafnesa, tany Nôfa, sy tany amin’ny tany Fatoresa, nanao hoe:
Izany dia noho ny fahatongavan’ny andro handringanana ny Filistinina rehetra; handripahana an’izay sisa amin’ny mpikambana amin’i Tira sy i Sidona; fa horavan’i Iaveh ny Filistinina, izay sisa amin’ny nosy Kaftôra.
Moa tsy toy ny taranaky ny Kosita va ianareo, raha amiko, ry zanak’i Israely? - teny marin’i Iaveh. - Moa i Israely va, tsy nentiko niakatra avy any amin’ny tany Ejipta, sy ny Filistinina avy tany Kafitôra, ary ny Sirianina avy tany Kira?
Ny Heveanina izay nonina tamin’ny vohitra hatrany Gazà koa, dia naringan’ny Kaftôrima, izay nivoaka avy tany Kaftora sy nonina nisolo ireny.