Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 1:3 - Baiboly Katolika

Hoy Andriamanitra: «Misia ny mazava.» Dia nisy ny mazava.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary Andriamanitra niteny hoe: Misia mazava! Dia nisy mazava.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary Andriamanitra niteny hoe: «Misia mazava.» Dia nisy mazava.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary Andriamanitra niteny hoe: «Misia mazava.» Dia nisy mazava.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary Andriamanitra niteny hoe: Misia mazava! Dia nisy mazava.

Jereo ny toko



Genesisy 1:3
22 Rohy Ifampitohizana  

Izao no tantaran’ny lanitra sy ny tany, rehefa voaary izy, rehefa vitan’i Iaveh Andriamanitra ny tany sy ny lanitra.


Mbetika izy mamelatra ny fahazavany manodidina azy, mbetika miery toy ny any ambanin’ny ranomasina.


Aiza ny lalana mankany amin’ny fonenan’ny mazava, ary aiza no fitoeran’ny maizina?


Mihodidina amin’ny fahazavana toy ny amin’ny lamba izy, mamelatra ny lanitra toy ny lay.


Andriamanitra i Iaveh; mampamirapiratra ny fahazavana amintsika Izy. Rohizo kofehy ny sorona, hatreo amin’ny tandroky ny ôtely.


Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh ireo: fa mandidy Izy, dia àry izy ireo.


Ny tenin’i Iaveh no nanaovana ny lanitra; ary ny fofon’ain’ny vavany no nanaovana ny tafiny rehetra.


Fa niteny ihany Izy, dia àry izao rehetra izao, nandidy Izy dia nisy ny zavatra rehetra.


Afafy ho an’ny marina ny fahazavana, ary ho an’ny mahitsy fo ny fifaliana.


Izaho no mamorona ny mazava, sy mahary ny maizina; manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Iaveh no manao izany rehetra izany.


Ny masoandro tsy ho fanazavana anao amin’ny andro intsony; ary ny fisomambisambin’ny volana tsy hitsilo anao intsony; fa i Iaveh no ho fahazavana mandrakizay ho anao, ary ny Andriamanitrao no ho voninahitrao.


Ary i Jesoa naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: «Mety Aho, madiova ianao.» Dia afaka niaraka tamin’izay ny habokany.


Ary mamirapiratra amin’ny maizina ny fahazavana, fa tsy nandray Azy ny maizina.


Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao.


Rehefa nilaza izany Izy dia niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Mivoaha, ry Lazara.»


Ary izao no fitsarana: tonga amin’izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany.


Satria, Andriamanitra izay nandidy hoe: «Aoka ny maizina no hiposahan’ny mazava» no nanazava ny fonay, mba hampahazavanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay mitaratra amin’ny tavan’i Kristy.


Izany no nanoratana hoe: Mifohaza ianao izay matory, ary mitsangàna avy any amin’ny maty, dia hanazava anao i Kristy.


Taloha ianareo no maizina, fa ankehitriny efa mazava ao amin’ny Tompo, ka mandehana toy ny zanaky ny mazava.


Izy irery no manana ny tsy fahafatesana, mipetraka ao amin’ny fahazavana tsy hay hatonina, tsy misy olombelona nahita Azy na mety hahita Azy, ary Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amen.


Izao no teny renay taminy, sy ambaranay aminareo: Andriamanitra dia fahazavana, ary tsy misy haizina akory ao aminy.


Didy vaovao ihany koa anefa no soratako aminareo, izay hita marina amin’i Kristy sy aminareo, fa efa misava ny haizina, ary miposaka sahady ny fahazavana marina.