Dia nieritreritra kely izy aloha vao nankany an-tranon’i Maria renin’i Joany, izay atao hoe Marka; olona maro no tafavory nivavaka tao.
Filemona 1:24 - Baiboly Katolika sy i Marka, sy i Aristarka sy i Demasy, ary i Lioka, izay mpiara-miasa amiko. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Marka, i Aristarko, i Demasy ary i Lioka, mpiara-miasa amiko. DIEM PROTESTANTA manao veloma anao koa i Marka, i Aristarka, i Demasy, ary i Lioka izay samy mpiara-miasa amiko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara manao veloma anao koa i Marka, i Aristarka, i Demasy, ary i Lioka izay samy mpiara-miasa amiko. Baiboly Protestanta Malagasy sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko. Malagasy Bible sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko. La Bible en Malgache i Marka, i Aristarko, i Demasy ary i Lioka, mpiara-miasa amiko. |
Dia nieritreritra kely izy aloha vao nankany an-tranon’i Maria renin’i Joany, izay atao hoe Marka; olona maro no tafavory nivavaka tao.
Nony vita ny raharahan’i Barnabe sy i Saoly tao Jerosalema, dia niverina tany Antiôkia izy, ary nitondra an’i Joany izay atao hoe Marka hiaraka aminy.
Dia niondrana an-tsambo tao Pafôsy i Paoly sy ny namany, ka tonga tany Perja any Panfilia; ary nisaraka tamin’izy ireo teo i Joany, ka lasa niverina tany Jerosalema.
Vetivety foana dia nanerana ny tanàna ny tabataba; nindaosin’ny olona i Gaiosa sy i Aristarka avy any Masedônia izay niara-dia tamin’i Paoly, ka nimaona nankany an-trano filalaovana izy rehetra.
Dia niakatra tamin’ny sambo anankiray avy any Adramita hanaraka ny sisin-tanin’i Azia izahay, ka nony voampakatra ny vatofantsika, dia niainga; ary niaraka taminay koa i Aristarka Masedôniana avy any Tesalonika.
Raha ny amin’i Tito aloha, dia namako sy mpiara-miasa amiko ho anareo izy; ary ny amin’ireo havana iray finoana kosa indray, dia iraky ny Eglizy sy voninahitr’i Kristy.
Nihevitra anefa aho fa i Epafrôdita rahalahiko, sady mpiara-miasa sy mpiara-miady amiko, ary irakareo hanompo ahy amin’ny zavatra ilaiko, dia tokony hampandehaniko hankatỳ aminareo aloha;
Ary ianao kosa, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, dia mangataka aminao aho mba hanampy azy roa vavy amin’izany koa, fa izy ireo no niara-niady tamiko teo amin’ny Evanjely, dia izy sy i Clément mbamin’ireo mpiara-miasa amiko sisa, izay efa ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany.
Manao veloma anareo i Aristarka, mpiara-mifatotra amiko, sy i Marka, zanak’anabavin’i Barnabe (efa nahazo didy ny amin’izany ianareo, ka raiso tsara izy raha tonga atỳ aminareo).
Tsy maintsy manohana ny olona toy ireny isika, mba ho mpiara-miasa aminy amin’ny fahamarinana.