Izao no didy nomen’ny mpanjaka an’i Jôaba sy i Abisaia ary i Etaia: «Tsimbino ilay zatovo Absalôma noho ny amiko». Ren’ny vahoaka rehetra fa nomen’ny mpanjaka didy momba an’i Absalôma ny filohan’ny tafika rehetra.
Filemona 1:10 - Baiboly Katolika dia mifona aminao ho an’i Onesimo zanako naterako teto am-patorana, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Eny, miangavy anao aho ny amin’ny zanako izay naterako teto amin’ny fifatorako, dia i Onesimosy, DIEM PROTESTANTA ka fiangaviana no ataoko aminao ho an’i Ônesimo, izay zanako naterako ara-panahy tato am-ponja. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka fiangaviana no ataoko aminao ho an’i Ônesimo, izay zanako naterako ara-panahy tato am-ponja. Baiboly Protestanta Malagasy Eny, miangavy aminao aho ny amin’ny zanako, izay naterako teto amin’ny fifatorako, dia Onesimosy, Malagasy Bible Eny, miangavy aminao aho ny amin'ny zanako, izay naterako teto amin'ny fifatorako, dia Onesimosy, La Bible en Malgache Eny, miangavy anao aho ny amin’ny zanako izay naterako teto amin’ny fifatorako, dia i Onesimosy, |
Izao no didy nomen’ny mpanjaka an’i Jôaba sy i Abisaia ary i Etaia: «Tsimbino ilay zatovo Absalôma noho ny amiko». Ren’ny vahoaka rehetra fa nomen’ny mpanjaka didy momba an’i Absalôma ny filohan’ny tafika rehetra.
fa na aiza na aiza ahazoany azy dia sady akapokapony izy no mandoa vory sy mikitro-nify, fa efa mihamalazolazo erỳ; ary efa nangataka ny mpianatrao handroaka azy aho, fa tsy nahomby izy ireo.»
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
Tsy ny hampahamenatra anareo anefa no nanoratako an’izany, fa ny hananatra anareo, toy ny zanako malalako.
Satria na dia ho iray alina aza ny mpampianatra anareo ao amin’i Kristy, dia tsy maro ray ianareo, fa izaho ihany no niteraka anareo tamin’ny Evanjely ao amin’i Kristy.
Anaka, aminareo aho dia mijaly hoatra ny mihetsi-jaza indray, mandra-pahary an’i Kristy ao anatinareo.
I Onesimo, rahalahy malala sy mahatoky, izay avy atỳ aminareo koa, dia miaraka aminy; ka dia izy roa lahy no hampahalala anareo ny zavatra rehetra atỳ.
mamangy an’i Timote, tena zanako amin’ny finoana: fahasoavana, famindram-po amam-piadanana, avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompontsika!
dia mamangy an’i Tito, zanako malala amin’ny finoana iombonantsika; ho ao aminao anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.
izay tsy nahasoa anao loatra fahiny, fa mahasoa antsika tokoa ankehitriny, dia ianao sy izaho.
Nikasa hihazona azy tatỳ amiko aho, mba hanompo ahy ho solonao, eto amin’ny fifatorako noho ny amin’ny Evanjely;
Tsy misy mahafaly ahy mihoatra noho ny mandre fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.