Ary i Benadaba mpanjakan’i Siria, namory ny tafiny rehetra; mpanjaka 32 no niaraka taminy, sady nisy soavaly aman-kalesy maro koa. Dia niakatra izy ary nanao fahirano an’i Samaria dia namely azy.
Ezra 7:12 - Baiboly Katolika I Artakserksesa mpanjakan’ny mpanjaka, ho an’i Esdrasa mpisorona sy mpampiana-dalàna, mahay ny lalàn’ny Andriamanitry ny lanitra, sns. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Artaksersesy, mpanjakan’ny mpanjaka, ho an’i Ezra mpisorona, mpanoradalàna mahay tsara ny lalànan’Andriamanitry ny lanitra. DIEM PROTESTANTA «Avy amiko Artakserksesa, mpanjakan’ny mpanjaka, ity taratasy ho an’i Hezrà mpisorona izay mpahay lalana fatra-pahalala ny lalànan’Ilay Andriamanitry ny lanitra. Mamangy anao aho sns... Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Avy amiko Artakserksesa, mpanjakan’ny mpanjaka, ity taratasy ho an’i Hezrà mpisorona izay mpahay lalana fatra-pahalala ny lalànan’Ilay Andriamanitry ny lanitra. Mamangy anao aho sns... Baiboly Protestanta Malagasy Artaksersesy, mpanjakan’ny mpanjaka, ho an’i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay tsara ny lalàn’Andriamanitry ny lanitra. Malagasy Bible Artaksersesy, mpanjakan'ny mpanjaka, ho an'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay tsara ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra. La Bible en Malgache I Artaksersesy, mpanjakan’ny mpanjaka, ho an’i Ezra mpisorona, mpanoradalàna mahay tsara ny lalànan’Andriamanitry ny lanitra. |
Ary i Benadaba mpanjakan’i Siria, namory ny tafiny rehetra; mpanjaka 32 no niaraka taminy, sady nisy soavaly aman-kalesy maro koa. Dia niakatra izy ary nanao fahirano an’i Samaria dia namely azy.
«Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa: Efa nomen’i Iaveh Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany, ary efa nandidy ahy Izy, hanao trano ho Azy, any Jerosalema any Jodà.
Izao no valy nalefan’ny mpanjaka ho an-dRehoma governora, i Samsaì mpanoratra, mbamin’ny namany sisa, monina ao Samaria sy amin’ny tanàna hafa any an-dafin’ny ony: Arahaba, sns.
Tatỳ aorian’ireo zava-niseho ireo, tamin’ny andro nanjakan’i Artakserksesa mpanjakan’i Persa kosa indray, i Esdrasa zanak’i Saraisa zanak’i Helkiasa
Izao no kôpian’ny taratasy nomen’i Artakserksesa mpanjaka, an’i Esdrasa - izay mpisorona sy mpampiana-dalàna, mpampiana-dalàna mahay ny didy aman-dalàn’i Iaveh ny amin’ny momba an’i Israely.
niakatra avy any Babilôna io Esdrasa io. Ary satria nomba azy ny tanan’i Iaveh Andriamaniny, dia nomen’ny mpanjaka azy avokoa izay rehetra nangatahiny.
Fa izao lazain’ny Tompo Iaveh: Indro, hoentiko avy any avaratra hamely an’i Tira, i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanjakan’ny mpanjaka, mitondra soavaly aman-kalesy, mitaingin-tsoavaly, omba-miaramila betsaka sy vahoaka maro.
izay hasehon’Andriamanitra amin’ny fotoany, dia ilay Andriamanitra sambatra, Mpandidy tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka, Tompon’ny tompo.
Hiady amin’ny Zanak’ondry izy rehetra, nefa ho resin’ny Zanak’ondry, satria Izy no Tompon’ny tompo, sy Mpanjakan’ny mpanjaka, ary ny voaantso sy olom-boafidy sady mahatoky no momba Azy.
izao no anarany voasoratra tamin’ny lambany sy ny feny: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.