Nony ren’ny zanaka lahin’i Saola fa hoe maty i Abnera, tao Hebrôna, dia niraviravy tanana izy ary kivy ratsy i Israely rehetra.
Ezra 4:4 - Baiboly Katolika Tamin’izay, ny tompon-tany dia nanao izay hampiraviravy tanana ny vahoakan’i Jodà, nampatahotahotra azy amin’ny asany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy sy nandevilevy azy mba tsy hanao ny trano ny tompon-tany DIEM PROTESTANTA Tamin’izany ny valovotaka dia nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy sady nandevilevy azy mba tsy hanorina ilay trano. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izany ny valovotaka dia nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy sady nandevilevy azy mba tsy hanorina ilay trano. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny tompon-tany nanao izay hampiraviravy tànana ny Jiosy sy nandevilevy azy mba tsy hanao ny trano Malagasy Bible Ary ny tompon-tany nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy sy nandevilevy azy mba tsy hanao ny trano La Bible en Malgache Dia nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy* sy nandevilevy azy mba tsy hanao ny trano ny tompon-tany |
Nony ren’ny zanaka lahin’i Saola fa hoe maty i Abnera, tao Hebrôna, dia niraviravy tanana izy ary kivy ratsy i Israely rehetra.
Naoriny teo amin’ilay niorenany taloha ihany ny ôtely fa raiki-tahotra mafy teo anatrehan’ny vahoakan’ny tany izy ireo, ka nanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh teo, dia ny sorona dorana marain-tsy hariva.
Ary azony tamim-bola hamely azy aza ny mpanolo-tsaina sasany, mba tsy hahavanona ny asany. Ary izany dia naharitra nandritra ny andron’i Sirosa, mpanjakan’i Persa, ka hatramin’ny andro nanjakan’i Dariosa, mpanjakan’i Persa.
Amin’ireo nanao ny manda, ny sasany, dia izay nitondra entana sy nivesatra azy, nanao ny asa tamin’ny tanany an’ila sy nitam-piadiana tamin’ny tanany an’ila.
Ny hampitahotra anay no kendren’izy rehetra, satria hoy izy: «Hihaosa ny tanany dia hilaozany ny asa, ka tsy ho tontosa. Koa ankehitriny herezo ny tanako, ry Andriamanitro.»
Dia hoy ny lehibe tamin’ny mpanjaka: «Aoka hovonoina io lehilahy io! Fa mampiraviravy tanana ny lehilahy mpiady sisa eto an-tanàna mbamin’ny vahoaka rehetra izy, amin’ny fanaovana teny toy izany aminy. Fa tsy mba mitady izay hahasoa ity vahoaka ity io lehilahy io, fa izay hampidi-doza aminy ihany.»