Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 9:34 - Baiboly Katolika

Fa i Faraôna kosa rehefa nahita fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrok’orana, dia mbola nanohy ny fahotany indray.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nony hitan’i Farao fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrokorana dia mbola nanota indray izy ka samy nanamafy ny fony izy sy ny mpanompony.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nony hitan’ny Farao fa nitsahatra ny orana sy ny havandra ary ny kotroka, dia hadisoana toy ny teo aloha indray no nataony; fa samy nihadonto fo izy sy ireo tandapany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nony hitan’ny Farao fa nitsahatra ny orana sy ny havandra ary ny kotroka, dia hadisoana toy ny teo aloha indray no nataony; fa samy nihadonto fo izy sy ireo tandapany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nony hitan’i Farao fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrokorana, dia mbola nanota ihany indray izy; ary samy nanamafy ny fony izy sy ny mpanompony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony hitan'i Farao fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrokorana, dia mbola nanota ihany indray izy; ary samy nanamafy ny fony izy sy ny mpanompony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nony hitan’i Farao fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrokorana dia mbola nanota indray izy ka samy nanamafy ny fony izy sy ny mpanompony.

Jereo ny toko



Eksodosy 9:34
11 Rohy Ifampitohizana  

Na tao anatin’izany fahoriana nanjò azy izany aza, mbola nanohy ny fahotana tamin’i Iaveh ihany izy Akaza mpanjaka,


Tsy mba nanetry tena teo anatrehan’i Iaveh tahaka ny nataon-drainy anefa izy, fa vao mainka nanota bebe kokoa aza i Amôna.


Nikomy tamin’i Nabokodonozora mpanjaka aza izy, izay efa nampianiana azy tamin’ny anaran’Andriamanitra. Nanamafy ny hatony sy nanamafy ny fony izy, mba tsy hiverenany amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Eny am-pandehanana hiverina ho any Ejipta, diniho an-tsaina ireo fahagagana rehetra napetrako eo am-pelatananao ireo; hataonao eo anatrehan’i Faraôna ireo. Fa Izaho kosa hanamafy ny fony, ka tsy havelany handeha ny vahoaka.


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Efa nihamafy ny fon’i Faraôna ka mandà tsy handefa ny vahoaka.


Ka hoy ny mpanao ody tamin’i Faraôna: Rantsan-tanan’Andriamanitra izany. Ary nihamafy anefa ny fon’i Faraôna ka tsy nihaino azy ireo Izy, araka ny efa voalazan’i Iaveh.


Niala avy ao amin’i Faraôna ary nivoaka ny tanàna i Môizy, dia nanandratra ny tanany tany amin’i Iaveh, ka ny kotrok’orana sy ny havandra nitsahatra, ary ny ranonorana nijanona tsy nilatsaka tamin’ny tany intsony.


Nihadonto ny fon’izy sy ny mpanompony. Nihamafy ny fon’i Faraôna ka tsy nalefany handeha ny zanak’i Israely, araka ny efa voalazan’i Iaveh tamin’ny vavan’i Môizy.


Saingy tsy tanterahina vetivety, ny teny fitsarana navoaka hamaliana ny ratsy atao, ka noho izany ny fon’ny zanak’olombelona dia mihasahy ao anatiny amin’ny fanaovan-dratsy;


Nahoana ianareo no dia hanamafy ny fonareo, toy ny nanamafisan’i Ejipta sy i Faraôna ny fony? Tsy nalefan’ireo handeha va ny zanak’i Israely, nony efa nasiany tamin’ny saziny izy ireo?