Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 9:34 - DIEM PROTESTANTA

34 Nony hitan’ny Farao fa nitsahatra ny orana sy ny havandra ary ny kotroka, dia hadisoana toy ny teo aloha indray no nataony; fa samy nihadonto fo izy sy ireo tandapany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Nony hitan’i Farao fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrokorana dia mbola nanota indray izy ka samy nanamafy ny fony izy sy ny mpanompony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Nony hitan’ny Farao fa nitsahatra ny orana sy ny havandra ary ny kotroka, dia hadisoana toy ny teo aloha indray no nataony; fa samy nihadonto fo izy sy ireo tandapany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 Fa i Faraôna kosa rehefa nahita fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrok’orana, dia mbola nanohy ny fahotany indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Ary nony hitan’i Farao fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrokorana, dia mbola nanota ihany indray izy; ary samy nanamafy ny fony izy sy ny mpanompony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Ary nony hitan'i Farao fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrokorana, dia mbola nanota ihany indray izy; ary samy nanamafy ny fony izy sy ny mpanompony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 Nony hitan’i Farao fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrokorana dia mbola nanota indray izy ka samy nanamafy ny fony izy sy ny mpanompony.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 9:34
11 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny andro nanaovana fahirano azy, dia mbola nanao izay nahadiso amin’ny TOMPO ihany io Ahaza mpanjaka io.


kanefa tsy mba niaiky heloka teo anatrehan’ny TOMPO tahaka ny nataon’i Manase rainy izy, fa vao mainka nanota bebe kokoa aza.


Nikomiany aza i Nebokadnetsara mpanjaka izay efa nampianiana azy tamin’Andriamanitra. Nanamafy hatoka sy fo izy mba tsy hiverenany amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.


Hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Diniho fa efa nataoko eo am-pelatananao ireo zava-mahagaga isan-karazany. Koa rehefa tafaverina any Ejipta ianao, dia ataovy eo anatrehan’ny Farao ireny; Izaho kosa hanamafy ny fony ka tsy handefa ny Israelita izy.


Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mafy fo ny Farao ka tsy mety mandefa ny Israelita.


Dia hoy ireo mpimasy tamin’ny Farao: –Herin’Andriamanitra no ao amin’io tehina io! Kanefa ny Farao dia nanamafy ny fony, araka izay efa nolazain’ny TOMPO, ka tsy nihaino ny fangatahan’i Mosesy sy i Aharôna.


Dia niala teo anatrehan’ny Farao i Mosesy ary nivoaka ny tanàna. Nanandra-tanana tamin’ny TOMPO izy ka nivavaka dia nitsahatra ny kotroka sy ny havandra, ary tsy nilatsaka intsony ny orana.


Ary araka izay nambaran’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Mosesy, dia manamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita.


Fa tsy tanterahina eo no ho eo akory ny famaliana ny ratsy atao; dia izany no ikirizan’ny olona hanao ratsy.


Nahoana no hihamafy fo tahaka ny Ejiptianina sy ny Farao ianareo? Tsarovy tsara ny nanaovan’Andriamanitra azy ireo ka nahatonga azy hamela ny vahoaka handeha, ka dia lasa izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra