Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, hisian’ny haizim-pito amin’ny tany Ejipta, sady haizina azo tsapain-tanana.»
Eksodosy 9:22 - Baiboly Katolika Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, hilatsahan’ny havandra eran’ny tany Ejipta rehetra, amin’ny olona sy ny biby ary ny ahitra rehetra any an-tsaha.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory manandrify ny lanitra ny tananao, ary aoka hisy havandra hilatsaka amin’ny tany Ejipta manontolo, dia amin’ny olona sy amin’ny biby fiompy ary amin’ny anana rehetra any an-tsaha manerana ny tany Ejipta. DIEM PROTESTANTA Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Atsangano manondro lanitra ny tananao! Aoka ny havandra hirotsaka amin’ny tany Ejipta manontolo, amin’ny olona sy ny biby fiompy ary amin’ny voly rehetra any an-tsaha. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Atsangano manondro lanitra ny tananao! Aoka ny havandra hirotsaka amin’ny tany Ejipta manontolo, amin’ny olona sy ny biby fiompy ary amin’ny voly rehetra any an-tsaha. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tànanao, dia hisy havandra hilatsaka amin’ny tany Egypta rehetra, dia amin’ny olona sy amin’ny biby fiompy ary amin’ny anana rehetra any an-tsaha eran’ny tany Egypta. Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, dia hisy havandra hilatsaka amin'ny tany Egypta rehetra, dia amin'ny olona sy amin'ny biby fiompy ary amin'ny anana rehetra any an-tsaha eran'ny tany Egypta. La Bible en Malgache Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory manandrify ny lanitra ny tananao, ary aoka hisy havandra hilatsaka amin’ny tany Ejipta manontolo, dia amin’ny olona sy amin’ny biby fiompy ary amin’ny anana rehetra any an-tsaha manerana ny tany Ejipta. |
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, hisian’ny haizim-pito amin’ny tany Ejipta, sady haizina azo tsapain-tanana.»
Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Lazao amin’i Aarôna hoe: Raiso ny tehinao ary ahinjiro eo ambonin’ny ranon’i Ejipta ny tananao, dia amin’ny reniranony, amin’ny lakan-dranony, amin’ny dobo aman-kamoriny rehetra. Hanjary ra ireny ary hisy ra amin’ny tany Ejipta manontolo, na amin’ny fasian-drano hazo, na amin’ny fasian-drano vato.»
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mifohaza maraina koa ka tongava eo anatrehan’i Faraôna amin’ilay fotoana ivoahany ho any amoron-drano iny. Lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Avelao handeha ny vahoakako hanompoany ahy.
Ka hoy i Môizy tamin’i Faraôna: «Lazao amiko àry izay sitraponao: Ho amin’ny fotoana inona no hanaovako fivavahana ho anao sy ho an’ny mpanomponao amam-bahoakanao, mba hanalaviran’i Iaveh ny sahona aminao sy amin’ny tranonao, ka tsy hisiany intsony, afa-tsy ao amin’ny ony ihany.» Dia hoy izy:
Fa izay tsy nandinika tao am-pony ny tenin’i Iaveh kosa, namela ny mpanompony mbamin’ny bibiny tany an-tsaha.
Tamin’ny nandosiran’izy ireo teo anatrehan’ny zanak’i Israely teo amin’ny fidinan’i Betôrôna dia nampianjeran’i Iaveh vato vaventy izy ireo hatrany Azekà, ka maty; be lavitra ny matin’ny havandra vato noho ny matin’ny sabatry ny zanak’i Israely.
ary ny olona nilatsahan’ny havandra vaventy be avy any an-danitra, sahabo ho lanjan-talenta iray ny iray, ka nanevateva an’Andriamanitra izy ireo, noho ny loza avy amin’ny havandra, fa loza lehibe loatra izany.