Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 9:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Atsangano manondro lanitra ny tananao! Aoka ny havandra hirotsaka amin’ny tany Ejipta manontolo, amin’ny olona sy ny biby fiompy ary amin’ny voly rehetra any an-tsaha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory manandrify ny lanitra ny tananao, ary aoka hisy havandra hilatsaka amin’ny tany Ejipta manontolo, dia amin’ny olona sy amin’ny biby fiompy ary amin’ny anana rehetra any an-tsaha manerana ny tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Atsangano manondro lanitra ny tananao! Aoka ny havandra hirotsaka amin’ny tany Ejipta manontolo, amin’ny olona sy ny biby fiompy ary amin’ny voly rehetra any an-tsaha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, hilatsahan’ny havandra eran’ny tany Ejipta rehetra, amin’ny olona sy ny biby ary ny ahitra rehetra any an-tsaha.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tànanao, dia hisy havandra hilatsaka amin’ny tany Egypta rehetra, dia amin’ny olona sy amin’ny biby fiompy ary amin’ny anana rehetra any an-tsaha eran’ny tany Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, dia hisy havandra hilatsaka amin'ny tany Egypta rehetra, dia amin'ny olona sy amin'ny biby fiompy ary amin'ny anana rehetra any an-tsaha eran'ny tany Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory manandrify ny lanitra ny tananao, ary aoka hisy havandra hilatsaka amin’ny tany Ejipta manontolo, dia amin’ny olona sy amin’ny biby fiompy ary amin’ny anana rehetra any an-tsaha manerana ny tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 9:22
7 Rohy Ifampitohizana  

Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Atsangano manondro lanitra ny tananao hisian’ny haizina manerana an’i Ejipta, dia haizina mikitroka.


Ary hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Lazao i Aharôna handray ny tehinao ka haninjitra ny tanany manandrify ny rano rehetra eto Ejipta, izany hoe ny renirano sy ny lakan-drano mbamin’ny farihy rehetra; dia hiova ho ra ny rano amin’ireny. Ary hisy ra manerana ny tany Ejipta manontolo, hatrany an-tsinibe hazo sy vato.


Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mifohaza maraina ianao rahampitso, mandehana hiseho eo anatrehan’ny Farao amin’iny izy midina ho eo amoron-drano iny, ka lazao azy hoe: «Izao no andidian’ny TOMPO anao: Alefaso ny vahoakako hanao fanompoam-pivavahana amiko;


Fa hoy i Mosesy tamin’ny Farao: –Raiso ho voninahitrao ny mametra ny fotoana hangatahako amin’ny Tompo ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao mba hanesorana ny sahona aminao sy amin’ny lapanao, ka tsy hisy havela afa-tsy ny ao Neily ihany.


Ny sasany kosa tsy niraharaha ny tenin’ny TOMPO, ka namela ny mpiasany sy ny biby fiompy teny an-tsaha ihany.


Fa iny nandositra teo anoloan’ny Israelita iny ry zareo, ka tonga teo am-pidinana avy ao Bety-Hôrôna, dia nandatsahan’ny TOMPO havandra vaventy avy tany an-danitra ambara-pahatongany tao Hazekà; ka be lavitra ny matin’ny havandra noho izay naripaky ny Israelita tamin’ny sabatra.


ny olona, nilatsahan’ny havandra vaventy avy tany an-danitra, dia havandra milanja tokony ho efapolo kilao ny anankiray. Ary nanevateva an’Andriamanitra ny olona noho ny loza vokatry ny havandra, fa lehibe loatra izany loza izany!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra