Eksodosy 8:24 - Baiboly Katolika Dia hoy i Faraôna: «Halefako handeha ihany ianareo, hanolotra sorona amin’i Iaveh Andriamanitrareo, any an’efitra, nefa aza lasan-davitra loatra ianareo amin’izany fandehananareo izany. Ary manaova fivavahana ho ahy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Farao: Havelako handeha ihany ianareo mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitrareo any an-tany efitra; kanefa izao: Aza mandeha lavitra loatra ianareo, ary mifonà ho ahy! DIEM PROTESTANTA Koa niteny indray ny Farao hoe: –Eny àry, halefako handeha hanao sorona amin’ny TOMPO Andriamanitrareo any an-taniefitra ianareo. Kanefa aza mandeha lavitra loatra ianareo, ary mivavaha ho ahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa niteny indray ny Farao hoe: –Eny àry, halefako handeha hanao sorona amin’ny TOMPO Andriamanitrareo any an-taniefitra ianareo. Kanefa aza mandeha lavitra loatra ianareo, ary mivavaha ho ahy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Farao: Izaho dia handefa anareo ihany mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’i Jehovah Andriamanitrareo any an-efitra; fa hany ataoko: aza mandeha lavitra loatra hianareo; dia mangataha ho ahy. Malagasy Bible Ary hoy Farao: Izaho dia handefa anareo ihany mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrareo any an-efitra; fa hany ataoko: aza mandeha lavitra loatra ianareo; dia mangataha ho ahy. La Bible en Malgache Dia hoy i Farao: Havelako handeha ihany ianareo mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitrareo any an-tany efitra; kanefa izao: Aza mandeha lavitra loatra ianareo, ary mifonà ho ahy! |
Nanao toy izany tamin’ny fankatoavany ihany koa ny mpanao ody mba hahatonga moka, fa tsy nahavita izany izy. Mby eny amin’ny olona sy ny biby ny moka.
Nampanalain’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna nilazany hoe: «Mandehana ianareo manolotra sorona amin’ny Andriamanitrareo eto amin’ity tany ity.»
Fa handeha lalan-kateloana any an’efitra izahay no hanolotra sorona amin’i Iaveh Andriamanitray, araka izay holazainy aminay.»
Ary i Faraôna nampaka an’i Môizy sy i Aarôna nilazany hoe: «Mangataha amin’i Iaveh mba hanesorany ny sahona amiko sy amin’ny vahoakako, fa halefako mandeha ny vahoaka, hanolorany sorona amin’i Iaveh.»