Eksodosy 8:2 - Baiboly Katolika Dia nahinjitr’i Aarôna tambonin’ny rano any Ejipta, ny tanany, ka niakatra nanenika ny tany Ejipta ny sahona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary natsotran’i Arona teo ambonin’ny ranon’i Ejipta ny tanany; dia niakatra ny sahona ka nanenika ny tany Ejipta. DIEM PROTESTANTA Dia nahinjitr’i Aharôna tambonin’ireo rano tao Ejipta ny tanany; ka niakatra sady nandrakotra an’i Ejipta ny sahona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nahinjitr’i Aharôna tambonin’ireo rano tao Ejipta ny tanany; ka niakatra sady nandrakotra an’i Ejipta ny sahona. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nahinjitri’i Arona tambonin’ny rano tany Egypta ny tànany; dia niakatra ny sahona ka nandrakotra ny tany Egypta. Malagasy Bible Ary nahinjitr'i Arona tambonin'ny rano tany Egypta ny tànany; dia niakatra ny sahona ka nandrakotra ny tany Egypta. La Bible en Malgache Ary natsotran’i Arona teo ambonin’ny ranon’i Ejipta ny tanany; dia niakatra ny sahona ka nanenika ny tany Ejipta. |
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Efa nihamafy ny fon’i Faraôna ka mandà tsy handefa ny vahoaka.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Lazao amin’i Aarôna hoe: Ahinjiro eo ambonin’ny renirano sy ny lakan-drano ary ny farihy ny tananao mitana ny tehinao, ka ampiakaro ho eo amin’ny tany Ejipta ny sahona.»
Nanao torak’izany koa anefa ny mpanao ody tamin’ny fankatoavany, ka nampiakatra ny sahona ho eo amin’ny tany Ejipta izy ireo.