Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 8:18 - Baiboly Katolika

Amin’io andro io anefa havahako ny tany Genesa onenan’ny vahoakako, fa tsy mba hisy lali-be ny ao, mba hahafantaranao fa ao afovoan’io tany io Izaho Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa amin’izany andro izany dia havahako ny tany Gosena izay itoeran’ny oloko ka tsy mba hisy fihitra any, mba hahafantaranao fa Izaho no TOMPO eo afovoan’ny tany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Kanefa, amin’izany andro izany, dia havahako ny faritany Gôsena izay onenan’ny vahoakako ka tsy hisy fihitra mihitsy any. Amin’izay dia ho fantatrao fa Izaho TOMPO dia eo anivon’ny taninao koa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanefa, amin’izany andro izany, dia havahako ny faritany Gôsena izay onenan’ny vahoakako ka tsy hisy fihitra mihitsy any. Amin’izay dia ho fantatrao fa Izaho TOMPO dia eo anivon’ny taninao koa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa havahako amin’izany andro izany ny tany Gosena, izay itoeran’ny oloko, ka tsy mba hisy lalitra ao, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah afovoan’ny tany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa havahako amin'izany andro izany ny tany Gosena, izay itoeran'ny oloko, ka tsy mba hisy lalitra ao, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah afovoan'ny tany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa amin’izany andro izany dia havahako ny tany Gosena izay itoeran’ny oloko ka tsy mba hisy fihitra any, mba hahafantaranao fa Izaho no TOMPO eo afovoan’ny tany.

Jereo ny toko



Eksodosy 8:18
13 Rohy Ifampitohizana  

Nitebiteby ny fanahin’i Faraôna nony maraina ka nampiantso ny mpanoratra sy ny olon-kendry rehetra tao Ejipta izy. Notantarainy tamin’ireo ny nofiny; nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamin’i Faraôna.


Tsy nifankahita izy ireo ary tsy nisy niainga niala tamin’ny toerana nisy azy nandritra ny hateloana; fa ny zanak’i Israely kosa nahazo mazava teo amin’izay toerana nonenany.


Fa mba nantsoin’i Faraôna kosa ny olon-kendriny sy ny mpimasiny ary ny mpanao ody any Ejipta, dia mba nahavita torak’izany koa, tamin’ny fankatoavany.


Samy nanipy ny tehiny avy izy, dia mba samy nanjary bibilava koa. Saingy natelin’ny tehin’i Aarôna avokoa ny tehin’izy ireo.


Hiala aminao sy ny tranonao ny sahona ary amin’ny mpanomponao sy amin’ny vahoakanao, tsy hisy tavela intsony, afa-tsy ny any amin’ny ony ihany.»


Tsy afaka niseho teo anatrehan’i Môizy ny mpanao ody azon’ny vay; fa voan’ny vay ny mpanao ody sahala amin’ny Ejipsiana rehetra koa.


Aiza moa izay olon-kendrinao? ka aoka hambarany aminao ary aoka hovinanîny izay nodidian’i Iavehn’ny tafika hanjò an’i Ejipta!


Dia hoy i Jesoa taminy: «Nahita an’i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho.