Eksodosy 7:21 - Baiboly Katolika Maty ny hazandrano tamin’ny ony, nanjary maimbo ny ony, tsy azon’i Ejiptianina nosotroina ny rano tamin’ny ony ary heni-dra ny tany Ejipta manontolo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ka maty ny hazandrano izay tao amin’i Neily. Tonga maimbo i Neily ka tsy azon’ny Ejiptiana nosotroina ny rano avy ao. Ary ny ra dia nanerana ny tany Ejipta manontolo. DIEM PROTESTANTA Maty ny trondro ka maimbo ny ony, dia tsy azon’ny Ejiptianina nosotroina intsony ny rano, fa nisy ra manerana ny tany Ejipta manontolo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Maty ny trondro ka maimbo ny ony, dia tsy azon’ny Ejiptianina nosotroina intsony ny rano, fa nisy ra manerana ny tany Ejipta manontolo. Baiboly Protestanta Malagasy koa maty ny hazandrano izay tao Neily, dia maimbo Neily, ka tsy azon’ny Egyptiana nosotroina ny rano avy ao; ary ny ra dia nanerana ny tany Egypta rehetra. Malagasy Bible koa maty ny hazandrano izay tao Neily, dia maimbo Neily, ka tsy azon'ny Egyptiana nosotroina ny rano avy ao; ary ny rà dia nanerana ny tany Egypta rehetra. La Bible en Malgache ka maty ny hazandrano izay tao amin’i Neily. Tonga maimbo i Neily ka tsy azon’ny Ejiptiana nosotroina ny rano avy ao. Ary ny ra dia nanerana ny tany Ejipta manontolo. |
ka ny hazandrano ao anaty ony ho faty, ny ony hanjary maimbo; ary ny Ejiptianina harikoriko tsy te hisotro ny rano eo an’ony.› »
Dia nataon’i Môizy sy i Aarôna izay nandidian’i Iaveh azy. Naingaingan’i Aarôna ny tehina, nokapohiny teo anatrehan’i Faraôna sy ny mpanompony ny rano tamin’ny ony, ka nanjary ra avokoa ny rano rehetra tamin’ny ony;
Nahavita torak’izany tamin’ny fankatoavany ihany koa anefa ny mpanao odin’i Ejipta, ka nihamafy ny fon’i Faraôna, fa tsy nihaino an’i Môizy sy i Aarôna izy, araka ny voalazan’i Iaveh rahateo.
Nanao toy izany tamin’ny fankatoavany ihany koa ny mpanao ody mba hahatonga moka, fa tsy nahavita izany izy. Mby eny amin’ny olona sy ny biby ny moka.
Ny mpaka hazandrano hisentosento sy higogogogo, dia ny mpamintana rehetra, eo an’ony; ny mpandatsaka harato eo ambonin’ny rano hivaranhotsaka.
maty ny ampahatelon’ny zava-manana aina tao amin’ny ranomasina, ary levona ny ampahatelon’ny sambo.