Ary hoy izy taminy: «Izaho no Iaveh nitondra anao nivoaka avy any Ora amin’ny Kaldeanina, mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy.»
Eksodosy 6:2 - Baiboly Katolika Niteny tamin’i Môizy Andriamanitra nanao hoe: «Izaho no Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy hoe: Izaho no TOMPO. DIEM PROTESTANTA Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy hoe: –Izaho no «TOMPO». Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy hoe: –Izaho no «TOMPO». Baiboly Protestanta Malagasy ARY Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; Malagasy Bible Ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; La Bible en Malgache Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy hoe: Izaho no TOMPO. |
Ary hoy izy taminy: «Izaho no Iaveh nitondra anao nivoaka avy any Ora amin’ny Kaldeanina, mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy.»
Handalo mamaky ny tany Ejipta Aho amin’io alina io, ka ny lahy matoa rehetra amin’ny tany Ejipta hovonoiko, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby, ary misy fitsarana hoefaiko momba ny andriamanitr’i Ejipta rehetra: fa Izaho no Iaveh.
Ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Iaveh Aho, rehefa hanehoako ny voninahitro i Faraôna sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.»
Niala tao an’efitra Sina ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, araka ny dia nandidian’i Iaveh azy, dia nitoby tao Rafidima, ka tsy nahita rano hosotroina tao ny vahoaka.
«Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.
Hoy Andriamanitra tamin’i Môizy: «Izaho no Ilay misy. Izany, hoy izy, no havalinao ny zanak’i Israely: Ilay misy no maniraka ahy atỳ aminareo.»
Dia hoy koa Andriamanitra tamin’i Môizy: «Lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: ‹I Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka, Andriamanitr’i Jakôba, no maniraka ahy ho atỳ aminareo.› Fa izany no Anarako mandrakizay; izany no hahatsiarovana ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.»
dia izao no nolazain’i Iaveh tamin’i Môizy: «Izaho no Iaveh: Lazao amin’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, izay rehetra lazaiko aminao.»
Koa lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: Izaho no Iaveh; hanafaka anareo amin’ny fanompoana ny Ejiptianina Aho; hamonjy anareo amin’ny fanandevozan’izy ireo; ary sandry mihenjana sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.
Hampidiriko any amin’ny tany efa nianianako homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ianareo, homeko ho fanananareo izany: Izaho no Iaveh.»
Izaho no Iaveh, izany no Anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana Ahy, tsy ho an’ny sampy.
Izao no lazain’i Iaveh, mpanjakan’i Israely sy mpanavotra azy, dia i Iavehn’ny tafika: «Izaho no voalohany, ary Izaho no farany, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - izay hamaizako ny voafora rehetra, miaraka amin’ny tsy voafora,
ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tamin’ny andro nifidianako an’i Israely sy nananganako tanana homba ny taranak’i Jakôba, sy nanaovako izay hahalalany Ahy tany amin’ny tany Ejipta, ary nananganako tanana homba azy ireo, nanao hoe: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo;