Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 38:7 - Baiboly Katolika

Natsofony tamin’ny masom-bola eo an-daniny roan’ny ôtely ny bao hitondrana azy. Nataony hoboka àty tamin’ny hazo fisaka ny ôtely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nampiditra ny bao teo amin’ny mason-drojo izay teo amin’ny lafiny roa amin’ny alitara izy hilanjana azy. Hazofisaka no narafiny ho alitara ka nataony poakaty.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ary natsofoka tao anatin’ny haba izay manatrika ny lafiny roa amin’ny alitara mba hilanjana ny makarakara. Hazo fisaka no nandrafetana ny alitara, ka natao holoka aty izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ary natsofoka tao anatin’ny haba izay manatrika ny lafiny roa amin’ny alitara mba hilanjana ny makarakara. Hazo fisaka no nandrafetana ny alitara, ka natao holoka aty izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nampiditra ny bao teo amin’ny vava vola teo amin’ny lafiny roa amin’ny alitara izy hilanjana azy. Ary hazo fisaka no narafiny ho alitara, ka nataony hobokaty.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nampiditra ny bao teo amin'ny vava vola teo amin'ny lafiny roa amin'ny alitara izy hilanjana azy. Ary hazo fisaka no narafiny ho alitara, ka nataony hobokaty.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nampiditra ny bao teo amin’ny mason-drojo izay teo amin’ny lafiny roa amin’ny alitara izy hilanjana azy. Hazofisaka no narafiny ho alitara ka nataony poakaty.

Jereo ny toko



Eksodosy 38:7
5 Rohy Ifampitohizana  

Hazo akasià nopetahany varahina, no nanaovany ny bao.


Nanao ny tavy varahina sy ny faladiany varahina izy tamin’ny fitaratr’ireo vehivavy mpivory eo amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana.


Fa hoy ny Tompo taminy: «Mandehana, fa io lehilahy io dia fanaka voafidy ho Ahy, hitondra ny Anarako eo anatrehan’ny Jentily sy ny mpanjaka ary ny zanak’i Israely;


fa i Kristy herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra kosa amin’izay voaantso, na Jody na Jentily.


Fa ninia tsy nahalala zavatra hafa afa-tsy i Jesoa Kristy aho tany aminareo, indrindra fa Izy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana.