Eksodosy 38:22 - Baiboly Katolika Ny nanao izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy dia i Beseleela, zanak’i Orì, zanak’i Hora, amin’ny fokon’i Jodà; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda, dia nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. DIEM PROTESTANTA I Betsalela, zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda, no nanatanteraka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Betsalela, zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda, no nanatanteraka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny firenen’i Joda, nanao izay rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. Malagasy Bible Ary Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda, nanao izay rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. La Bible en Malgache Ary i Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda, dia nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. |
Ary hoy i Môizy tamin’ny zanak’i Israely: «Aoka ho fantatrareo fa i Beseleela, zanak’i Orì, zanak’i Hora, amin’ny fokon’i Jodà, no efa nofidin’i Iaveh.
Ary izao no isan’ny zavatra nanaovana ny Fonenana, dia ny Fonenan’ny vavolombelona; ny Levita, notarihin’i Itamara, zanak’i Aarôna, mpisorona no nanao ny fanisana, araka ny teny azony tamin’i Môizy.
Fa hoy Iaveh tamiko: «Aza manao hoe: ‹Zaza aho›, fa handeha ho any amin’izay rehetra anirahako anao ianao, ary hilaza izay rehetra handidiako anao.
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»