Manaova lalampy hatao aminy, ataovy fito ny isany, dia hitaingina eny amin’ny rantsany ireo lalampiny ireo hanazava ny eo anoloany.
Eksodosy 37:23 - Baiboly Katolika Volamena madio avokoa no nanaovany ny lalampy fito sy ny hetin-jirony, ary ny fitoeran-davenon-jirony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nataony tamin’ny volamena tsy miharo ny jirony fito sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony. DIEM PROTESTANTA Namboarina ny jiro fito sy ny tandra ary ny fitoeran-davenon-jiro, ka samy natao volamena madio avokoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Namboarina ny jiro fito sy ny tandra ary ny fitoeran-davenon-jiro, ka samy natao volamena madio avokoa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanao ny lela fanaovan-jirony fito sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony tamin’ny volamena tsara izy. Malagasy Bible Ary nanao ny lela fanaovan-jirony fito sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony tamin'ny volamena tsara izy. La Bible en Malgache Nataony tamin’ny volamena tsy miharo ny jirony fito sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony. |
Manaova lalampy hatao aminy, ataovy fito ny isany, dia hitaingina eny amin’ny rantsany ireo lalampiny ireo hanazava ny eo anoloany.
Iray amin’ny fanaovan-jiro ireo bokony aman-drantsany, fa vongam-bolamena an-tefy iray ihany, volamena madio, no nanaovana azy rehetra manontolo.
Volamena madio talenta iray no lany nanaovana ny fanaovan-jiro mbamin’ny fanaka rehetra momba azy.
sy nilazany hoe: «Inona no hitanao?» Ka hoy ny navaliko azy: «Nahita aho ka inty fanaovan-jiro maro rantsana iray, tena volamena izy manontolo misy tavy eo an-tampony, mitondra lalampy fito amam-pantsona fito avy amin’ireo lalampy eo an-tampon’ny fanaovan-jiro.
«Mitenena amin’i Aarôna, ka lazao aminy hoe: Rehefa mametraka ny lalampy eo amin’ny fanaovan-jiro ianao, dia ataovy manazava eo anoloan’ny fanaovan-jiro ny lalampy fito.»
Dia niherika nankany amin’ilay feo niteny tamiko aho, ka nony tafatodika dia nahita fanaovan-jiro, maro rantsana.
izao no hevitry ny kintana fito hitanao teo an-tanako ankavanana, sy ny fanaovan-jiro volamena fito: ny kintana fito moa dia ny Anjelin’ny Eglizy fito; ary ny fanaovan-jiro fito kosa dia ny Eglizy fito.»
Helatra sy feo aman-kotroka no nivoaka tamin’ilay seza fiandrianana, ary fanaovan-jiro fito mirehitra no teo anoloany, dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra izany.
Dia hoy ny anankiray tamin’ny Anti-dahy tamiko: «Aza mitomany, fa indro, efa nandresy ny liona avy amin’ny fokon’i Jodà sy solofon’i Davida, ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombokaseny fito.»