Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 37:18 - Baiboly Katolika

Rantsany enina no teo an-daniny roa; ny rantsany telo amin’ny fanaovan-jiro dia tao amin’ny laniny iray; ary ny rantsany telo amin’ny fanaovan-jiro dia tao amin’ny laniny iray hafa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nisy rantsany enina tamin’ny ilany roa, dia rantsany telo tamin’ny fitoeran-jiro amin’ny ilany iray, ary rantsana telo tamin’ny fitoeran-jiro amin’ny ilany iray hafa koa;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nasiana rantsana enina nivoaka avy amin’ny tahobeny, ka samy telo an-daniny avy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nasiana rantsana enina nivoaka avy amin’ny tahobeny, ka samy telo an-daniny avy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nisy sampany enina tamin’ny ankilany roa, dia sampany telo tamin’ny fanaovan-jiro amin’ny ankilany iray, ary sampany telo tamin’ny fanaovan-jiro amin’ny ankilany iray koa;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nisy sampany enina tamin'ny ankilany roa, dia sampany telo tamin'ny fanaovan-jiro amin'ny ankilany iray, ary sampany telo tamin'ny fanaovan-jiro amin'ny ankilany iray koa;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nisy rantsany enina tamin’ny ilany roa, dia rantsany telo tamin’ny fitoeran-jiro amin’ny ilany iray, ary rantsana telo tamin’ny fitoeran-jiro amin’ny ilany iray hafa koa;

Jereo ny toko



Eksodosy 37:18
4 Rohy Ifampitohizana  

ka hasianao rantsany enina maniry amin’ny laniny; ny rantsany telo, avy amin’ny laniny iray, ary ny rantsany telo, avy amin’ny laniny iray.


Volamena madio no nanaovany ny fanaovan-jiro; volamena an-tefiny avokoa, na ny fanaovan-jiro na ny tongony aman-tahony; iray aminy koa ny ravim-boniny mbamin’ny bokony sy ny voniny.


Ka ny rantsany voalohany nisy ravim-boniny telo miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny; ny rantsany faharoa nisy ravim-boniny telo miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny; dia nisy toy izany avokoa ny rantsany enina misampana avy amin’ny fanaovan-jiro.


«Mitenena amin’i Aarôna, ka lazao aminy hoe: Rehefa mametraka ny lalampy eo amin’ny fanaovan-jiro ianao, dia ataovy manazava eo anoloan’ny fanaovan-jiro ny lalampy fito.»