Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 37:1 - Baiboly Katolika

Hazo akasià no nanaovan’i Beseleela ny fiara: roa hakiho sy sasany ny halavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nanao ny vata tamin’ny hazo akasia i Bezalila; roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany ary iray hakiho sy sasany ny haavony;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Namboarin’i Betsalela tamin’ny hazo mimôzà ny Vatamasina; ka mirefy 125 santimetatra ny lavany, 75 santimetatra ny sakany ary 75 santimetatra ny haavony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Namboarin’i Betsalela tamin’ny hazo mimôzà ny Vatamasina; ka mirefy 125 santimetatra ny lavany, 75 santimetatra ny sakany ary 75 santimetatra ny haavony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Bezalila nanao ny fiara tamin’ny hazo akasia: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Bezalila nanao ny fiara tamin'ny hazo akasia: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nanao ny vata tamin’ny hazo akasia i Bezalila; roa hakiho* sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany ary iray hakiho sy sasany ny haavony;

Jereo ny toko



Eksodosy 37:1
10 Rohy Ifampitohizana  

I Hora niteraka an’i Orì, ary i Orì niteraka an’i Bezeleela.


Apetaho eo ambonin’ny jaigirafy ny efitra lamba, ka dia ao indrindra no hampidiranao ny fiaran’ny vavolombelona ao ivohon’ny efitra lamba; fa ny efitra lamba no hampisaraka eo imasonareo ny Fitoerana Masina sy ny Fitoerana Masina indrindra.


dia ny trano lay fihaonana, ny fiaran’ny vavolombelona, ny fanaovam-panavotana eo amboniny, ny fanaka rehetra amin’ny trano lay;


Nopetahany takela-bolamena madio ny atiny sy ny ivelany, nasiany tanjo-miolaka volamena ny manodidina azy.


Hapetrakao ao ny fiaran’ny vavolombelona ka hokoboninao amin’ny lamba.


Dia nanao fiara anankiray tamin’ny hazo akasià aho, sy nandidy takela-bato roa tahaka ireo voalohany dia niakatra tany an-tendrombohitra nitondra ny takelaka roa teny an-tanako.


ny ôtely volamena fandoroana emboka manitra, ny fiaran’ny fanekena voasarona volamena avokoa, izay nisy ny siny volamena nitoeran’ny mana, sy ny tehin’i Aarôna izay nitsimoka, ary ny vato fisaka nisy ny fanekena.