haripako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany, mba hamongorako eo an-tanan’i Iaveh izay rehetra manao ratsy.
Eksodosy 36:3 - Baiboly Katolika Noraisin’izy ireo teo anoloan’i Môizy ny fanatitra rehetra naterin’ny zanak’i Israely hanaovana ny taozavatra momba ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina; ary isa-maraina tsy tapaka ny olona nitondra ny fanatitra an-tsitrapo teo amin’i Môizy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia noraisin’izy ireo tamin’i Mosesy ireo fandraisana anjara rehetra izay noentin’ny Zanak’Israely hanaovana ny asa amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina. Ny olona koa dia mbola nitondra fanatitra an-tsitrapo isa-maraina ihany ho eo amin’i Mosesy. DIEM PROTESTANTA Natolotr’i Mosesy an-dry zareo ny fanomezana nentin’ny Israelita hanaovana ny Toeramasina. Isa-maraina dia mbola nisy nitondra fanomezana an-tsitrapo teo anatrehan’i Mosesy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Natolotr’i Mosesy an-dry zareo ny fanomezana nentin’ny Israelita hanaovana ny Toeramasina. Isa-maraina dia mbola nisy nitondra fanomezana an-tsitrapo teo anatrehan’i Mosesy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izy ireo dia nandray tamin’i Mosesy ny fanatitra rehetra izay efa nentin’ny Zanak’Isiraely hanaovana ny asa amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina. Ary ny olona mbola nitondra fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin’i Mosesy. Malagasy Bible Ary izy ireo dia nandray tamin'i Mosesy ny fanatitra rehetra izay efa nentin'ny Zanak'Isiraely hanaovana ny asa amin'ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina. Ary ny olona mbola nitondra fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin'i Mosesy. La Bible en Malgache Dia noraisin’izy ireo tamin’i Mosesy ireo fandraisana anjara rehetra izay noentin’ny Zanak’Israely hanaovana ny asa amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina. Ny olona koa dia mbola nitondra fanatitra an-tsitrapo isa-maraina ihany ho eo amin’i Mosesy. |
haripako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany, mba hamongorako eo an-tanan’i Iaveh izay rehetra manao ratsy.
Atreho ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro, fa Ianao no andefasako ny fivavahako.
Ny loholona kosa nitondra vato berila ary vato fandatsaka an-tranontranony hatao amin’ny efôda sy ny saron-tratra,
Ny zanak’i Israely rehetra na lahy na vavy izay voatariky ny fo mazoto mba hanana anjara amin’ny asa rehetra nandidian’i Iaveh tamin’ny vavan’i Môizy hatao, dia samy nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’i Iaveh.
Dia nampanalain’i Môizy i Beseleela sy i Oôliaba ary ny olo-mahay rehetra, izay norotsahan’i Iaveh fahaizana ny fony, mbamin’izay rehetra notaomin’ny fony amin’izany asa izany mba hahavitany azy.
Tamin’izay ireo olo-mahay nanao ny asa rehetra momba ny fitoerana masina, samy niato tamin’ny raharaha nataony,
Nomen’i Iaveh Tompo, ny lelan’ny mpianatra aho, mba hahaizako mankahery ny reraka, amin’ny teniko. mamoha isa-maraina izy; mamoha ny sofiko izy, mba hihainoako, hoatra ny fihainon’ny mpianatra.
ry taranak’i Davida: Izao no lazain’i Iaveh: Manaova fitsarana marina, hatramin’ny maraina; afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny ampahorîna, fandrao mipoaka hoatra ny afo ny fahatezerako, ka hirehitra tsy ho azon’olona vonoina, noho ny haratsian’ny ataonareo.
Ataovy manetona ny fanati-pisaorana tsy misy lalivay; miantsoa ny fanatitra an-tsitrapo, ka torio ampahibemaso izany! Fa izany no tianareo, ry zanak’i Israely, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -