Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 36:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Natolotr’i Mosesy an-dry zareo ny fanomezana nentin’ny Israelita hanaovana ny Toeramasina. Isa-maraina dia mbola nisy nitondra fanomezana an-tsitrapo teo anatrehan’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Dia noraisin’izy ireo tamin’i Mosesy ireo fandraisana anjara rehetra izay noentin’ny Zanak’Israely hanaovana ny asa amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina. Ny olona koa dia mbola nitondra fanatitra an-tsitrapo isa-maraina ihany ho eo amin’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Natolotr’i Mosesy an-dry zareo ny fanomezana nentin’ny Israelita hanaovana ny Toeramasina. Isa-maraina dia mbola nisy nitondra fanomezana an-tsitrapo teo anatrehan’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Noraisin’izy ireo teo anoloan’i Môizy ny fanatitra rehetra naterin’ny zanak’i Israely hanaovana ny taozavatra momba ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina; ary isa-maraina tsy tapaka ny olona nitondra ny fanatitra an-tsitrapo teo amin’i Môizy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary izy ireo dia nandray tamin’i Mosesy ny fanatitra rehetra izay efa nentin’ny Zanak’Isiraely hanaovana ny asa amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina. Ary ny olona mbola nitondra fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary izy ireo dia nandray tamin'i Mosesy ny fanatitra re­hetra izay efa nentin'ny Zanak'Isiraely hanaovana ny asa amin'ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina. Ary ny olona mbola nitondra fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin'i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Dia noraisin’izy ireo tamin’i Mosesy ireo fandraisana anjara rehetra izay noentin’ny Zanak’Israely hanaovana ny asa amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina. Ny olona koa dia mbola nitondra fanatitra an-tsitrapo isa-maraina ihany ho eo amin’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 36:3
11 Rohy Ifampitohizana  

Hataoko fongotra isa-maraina ny olon-dratsy rehetra eto amin’ny tany sy ny fanjakana mba ho foana avokoa ny mpanao ratsy ao amin’ny tanànan’ny TOMPO.


Ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô, mandrenesa ny feoko fa miantso Anao aho; Eny, Ianao no ivavahako vao maraina,


Ireo lehiben’ny vahoaka israelita kosa nitondra ny vato berila sy ny vatosoa hafa hatao amin’ny efôda sy ny saron-tratran’ny mpisorombe,


Ny Israelita malala-tanana rehetra, na lahy na vavy, dia nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’ny TOMPO mba ho enti-manao ireo asa izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Nampanantsoin’i Mosesy i Betsalela sy i Ôhôliaba mbamin’ireo mpahay taozavatra hafa, izay nomen’ny TOMPO fahakingana sady vonona hanatanteraka ny asa.


Noho izany, ireo mpahay taozavatra rehetra izay nirotsaka tamin’ny fanamboarana ny Toeramasina dia nanapaka ny asany,


amin’ny alalako no anjakan’ny mpanjaka, sy ahazoan’ny mpitondra manao didy ara-drariny;


Ny Tompo ANDRIANANAHARY no nampianatra ahy izay tokony holazaiko, mba hahaizako mamoaka teny hampahery ny reraka. Isa-maraina Izy dia manabe ahy hatrany hihaino araka izay tokony hataon’ny mpianatra.


ianareo taranak’i Davida. Izao no lazain’ny TOMPO: Fanaovana fitsarana ara-drariny no tontosay isa-maraina. Afaho eny an-tanan’ny mpitsentsitra ireo olona volosany fandrao hitroatra ny fahatezerako ka ho afo mandoro tsy hay vonoina. Vokatry ny asa ratsy nataonareo izany.


Dory hanetona eo amin’ny alitara ny mofo misy leviora fanati-pisaoranareo; ary ataovy antso avo ampahibemaso ny fanatitra an-tsitrapo ataonareo, satria izany no tianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra