Nefa kosa ny fitoerana avo, mbola tsy foana, ary notohizin’ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo.
Eksodosy 35:5 - Baiboly Katolika Manokàna zavatra hatolotra ho an’i Iaveh amin’ny fanananareo. Na iza na iza mazoto fo dia hitondra zavatra haterina amin’i Iaveh, dia volamena, volafotsy, varahina, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Makà anjara fanomezana ho an’NY TOMPO avy amin’izay anananareo: Izay rehetra entanin’ny fony dia aoka hitondra anjara fanomezana ho an’NY TOMPO, dia volamena, volafotsy, varahina, DIEM PROTESTANTA –Angony ny fanomezana avy aminareo ho an’ny TOMPO; izay rehetra manome an-tsitrapo no aoka hitondra fanomezana isan-karazany ho an’ny TOMPO: dia volamena, volafotsy, halimo, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Angony ny fanomezana avy aminareo ho an’ny TOMPO; izay rehetra manome an-tsitrapo no aoka hitondra fanomezana isan-karazany ho an’ny TOMPO: dia volamena, volafotsy, halimo, Baiboly Protestanta Malagasy Manalà ao aminareo fanatitra ho an’i Jehovah: izay rehetra amporisihin’ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an’i Jehovah: dia volamena sy volafotsy sy varahina, Malagasy Bible Manalà ao aminareo fanatitra ho an'i Jehovah: izay rehetra amporisihin'ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an'i Jehovah: dia volamena sy volafotsy sy varahina, La Bible en Malgache Makà anjara fanomezana ho an’NY TOMPO avy amin’izay anananareo: Izay rehetra entanin’ny fony dia aoka hitondra anjara fanomezana ho an’NY TOMPO, dia volamena, volafotsy, varahina, |
Nefa kosa ny fitoerana avo, mbola tsy foana, ary notohizin’ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo.
Raha efa izany, niteny i Ezekiasa ka nanao hoe: «Vita fanokanan-tena ho an’i Iaveh indray izao ianareo, ka manatòna, manatera sorona amam-pisaorana ao an-tranon’i Iaveh.» Dia nanatitra sorona amam-pisaorana ny fiangonana, ary nanolotra sorona dorana koa izay rehetra mazava fo.
Midodododo aminao ny vahoakanao amin’ny andro hamorianao ny tafikao, mitondra ny fanamiana masina: avy ao ampofoan’ny mazava atsinanana, dia mankao aminao ny ranonandon’ny mpiadinao tanora.
dia tonga izay rehetra voatariky ny fo mazoto sy izay rehetra manana saina vonona tsara nanolotra fanatitra ho an’i Iaveh hanaovana ny trano lay fihaonana, mbamin’ny fanaka rehetra ao aminy sy ny fanamiana masina.
Ny zanak’i Israely rehetra na lahy na vavy izay voatariky ny fo mazoto mba hanana anjara amin’ny asa rehetra nandidian’i Iaveh tamin’ny vavan’i Môizy hatao, dia samy nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’i Iaveh.
Niteny tamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra i Môizy ka nanao hoe: «Izao no nodidian’i Iaveh hatao:
jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika, volon’osy,
Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa mpanome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.
Miantoraka amin’ny mpitondra an’i Israely ny foko sy amin’ny vahoaka anisan’ny nanolo-tena: Misaora an’i Iaveh!