Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 33:5 - Baiboly Katolika

Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: Vahoaka mafy hatoka ianareo, ka raha miakatra Aho eo afovoanareo, na dia indray mipi-maso aza, dia holevoniko ianareo, koa apetraho amin’izao ny fihaingoanareo, dia ho fantatro izay hataoko.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Lazao amin’ny Zanak’Israely hoe: Ianareo dia olona mafy hatoka; koa raha hiara-miakatra aminao eo afovoanao Aho, na dia indray mipy maso monja aza, dia handringana anao; koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao mba ho fantatro izay hataoko aminao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny TOMPO manko efa nandidy an’i Mosesy mba hilaza amin’ny Israelita hoe: «Vahoaka maditra mafy hatoka ianareo rehetra! Koa raha hiara-mandeha aminareo Aho, na dia indray mipi-maso aza, dia handevona anareo. Koa esory aminareo aloha ireo haingonareo, dia ho fantatro amin’izay ny hataoko aminareo.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny TOMPO manko efa nandidy an’i Mosesy mba hilaza amin’ny Israelita hoe: «Vahoaka maditra mafy hatoka ianareo rehetra! Koa raha hiara-mandeha aminareo Aho, na dia indray mipi-maso aza, dia handevona anareo. Koa esory aminareo aloha ireo haingonareo, dia ho fantatro amin’izay ny hataoko aminareo.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Lazao amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Hianareo dia olona mafy hatoka; koa raha hiara-miakatra aminao Aho, na dia indray mipì-maso aza, dia handringana anao Aho; koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao, mba ho fantatro izay hataoko aminao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Hianareo dia olona mafy hatoka; koa raha hiara-miakatra aminao Aho, na dia indray mipi-maso aza, dia handringana anao Aho; koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao, mba ho fantatro izay hataoko aminao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Lazao amin’ny Zanak’Israely hoe: Ianareo dia olona mafy hatoka; koa raha hiara-miakatra aminao eo afovoanao Aho, na dia indray mipy maso monja aza, dia handringana anao; koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao mba ho fantatro izay hataoko aminao.

Jereo ny toko



Eksodosy 33:5
16 Rohy Ifampitohizana  

Koa hidina Aho ary hizaha raha efa feno tokoa ny halehiben’ny fahotany araka ny fitarainana tonga hatraty amiko, ary raha mbola tsy feno dia ho hitako.»


Dia hoy ny Anjely: «Aza manainga ny tananao hamely ny zaza, ary aza maninomaninona azy akory, fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao ho Ahy.»


Amin’ny indray mipỳ maso monja dia maty ireny amin’ny mamatonalina; mangozohozo eo ny firenena, dia tsy eo intsony; lasa tsy natosi-tanan’olona ny mahery.


Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko; tsapao aho, ka fantaro ny hevitro!


Hia! indray mipy maso monja lahy, dia rava ireny! Levona terỳ! Matin-doza mahatsiravina ka tsy hita intsony!


Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Hitako fa vahoaka mafy hatoka io vahoaka io.


Dia nesorin’ny zanak’i Israely ny fihaingoany, hatreo an-tendrombohitra Horeba.


Ny Tompo Iavehn’ny tafika, niantso anareo, tamin’izany andro izany, hitomany sy higogogogo, hibory loha sy hisikina lasàka.


Noho ny fahalalako fa ianao dia mafy hatoka, ary anjam-by ny vozonao, sy varahina ny handrinao,


Fa ny heloky ny zanaka vavin’ny vahoakako tafahoatra noho ny fahotan’i Sôdôma, izay noravana indray mihelina monja, nefa tsy nisy tanana niainga hamely azy.


Na ankehitriny aza anefa, - teny marin’i Iaveh, - miverena amiko, amin’ny fonareo rehetra, amin’ny fifadian-kanina sy amin-dranomaso amam-pitarainana.


«Mialà eo afovoan’ity fiangonana ity ianareo, handringanako azy indray mihelina monja.»


Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo aman-tsofina, manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva ianareo; tahaka ny nataon’ny razanareo ihany no ataonareo koa.


Tsarovy ny lalàna rehetra izay nasain’i Iaveh Andriamanitrareo nandehananareo, tany an’efitra, nandritra ny efapolo taona izao, mba hampanetry tena anao, sy hitsapa ny tenanao, dia hahalalàna ny hevitrao ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.